Dikan'ny teny : tsongo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fanerena amin'ny hohon-tanana roa; fandraisana amin'ny tandra ka ny ilan-keliny ihany no terena. - t.i.f.: Tsongoina, atsongo, voatsongo, tsinongo j manongo, fanongo, mpanongo / anongoana, fanongoana I mitsongo, fitsongo, mpitsongo / itsongoana, fitsongoana j mahatsongo j tsongotsongo. - F,-p.: Antsongony na antsongony: akisa, tonony, vaniny, antsontsany, tsongo ravina, an-tendry vary. / Mila antsongony: mila kisa. / Tsongo dia: fanarahana, fizohiana fatratra mba hahitana izay olona tadiavina. / Tsongo foitra: teny ilazana koa ny mandala (aretina). / Tsongo ravina: jer. antsongony etsy ambony. f Tsongoin' olom-bolo: olona tsara sy mendrika anatin'ny maro. / Tsongoin-tory: sintonin-tory kely foana, mahita tory vetivety. f Tsongon-drenikely: tsongo fanaon'ny renikely masiaka, izay sady ataony mafy no aomary aolany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel