Dikan'ny teny : vadintany

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Olona napetraky ny mpanjaka fahiny hitana ny tany sy ny fanjakana, hitondra ny tenin'ny vahoaka ary hitsara ny ady tsy vita teo amin'ny fokonolona na teo amin'ny tompomenakely. — (Nisy karazany roa: ny vadintanimbohitra na vadintany ambany ary ny vadintany ambony; ireo voalohany dia ireo izay mipetraka isam-bohitra ary vantanin'ny vadintany ambony; ny vadintany ambony kosa dia ireo tsy misaraka amin' ny mpanjaka miara-midinika aminy ny ady tonga eo andRova, mitondra ny teniny ary mamaky heloka ny olona). — Ankehitriny kosa, ny vadintany dia olona vita fianianana manana andraikitra hampanatanteraka ny didimpitsarana efa nivoaka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel