Dikan'ny teny : vahindrorohany

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Iray amin' ireo zavatra tain miforona ho vavonin'ny omby, izay misy volovolo madinika. 'Vahiny a.: Olona avy any amin'ny tany hafa, tsy tompontany: Mahazo monina tsara eto ny vahiny raha tsy voatohintohina ny fiandrianom-pirenentsika. ~ Olona tonga mitsidika ao an-tokantrano ka raisina sy omentaakafo: Andeha hanokombary ho an'ny vahiny aho aloha 1 t.if.: Mivahiny, fivahiny, mpivahiny j ivahiniana, fivahiniana. - F.-p.: Amboa vahiny: mpangalatra an-kafetsena, mpirenireny. / Takariva mahatsara vahiny: ilay takariva mitarataratra somary mena-mena iny ka toa mahatonga ny salovan-tavan'ny vahiny hahafinaritra jerena. / Sakafo mandroa-bahiny: sakafo omanina ela loatra ka tsy andrin'ny vahiny ary dia toy ny manery azy handeha. * Ohab.: Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany: aza miantehitra na miandry valiny amin'izay olona mandala, / Nanasa vahiny tsy tonga: sady voky no afaka adidy: tsy mahafaty antoka akory ny manao ny adidy tokony hoefaina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel