Dikan'ny teny : valiha

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny malaza indrindra amin'ny zavamaneno nentim-paharazana malagasy. Vita amin'ny volo (volotsangana vaventy) ny valiha ary misy tady kitihina amin'ny ta-nana; ireo tadiny heo dia misy tohany daholo ka izany no ahazoana feo avo sy iva: folo eo ho eo tany am-boalohany ny isan'ireo tadimbaliha fa ankehitriny mahatratra efapolo na mihoatra aza. Ampiasaina manerana an'i Madagasikara ny valiha na dia sarny manana ny fomba fanaovany sy fampiasany azy aza ny tsirairay: Valiha bara: hazo mitovy habe amin' ny volo no sasahana roa, esorina ny atiny dia atambatra ary asiana tadiny; Valiha tsimihety: sampan-drofia roa no alaina, esorina ny atiny, atambatra hanjary boribory; ny hodiny•ihany no sokirina hanjary tadiny; Valiha tory tenany: ny tenany ihany no torina hanjary tadiny, ka irony volo mifanalavitra ny tonony no ampiasaina amin' izany (40-70 santimetatra); Valiha jihy vy: volo ihany ny vatany fa tariby kosa ny tadiny (jihim-baliha no flantsoan'ny Ntaolo ny tadiny amin'izay); Valiha mata (na marovany): haro na takelaby no rafetana hitovy bika amin'ny vela ka hatao tariby koa ny tadiny. - F.-p.: Dàmatim-baliha: ny feo iva na ambany indrindra amin'ny valiha. / Toham-baliha: ireo vakim-boatavo na poti-kazo na volotsangana kely manohana ny tadim-baliha. / Valiha tory folo: valiha misy tadiny folo. * Ohab.: Mitsaha-pilàna ohatra ny mpivaro-baliha maty vady: enti-milaza ny olona mijanona tsy fidiny amin'ny asa fanaony. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel