Dikan'ny teny : varotra

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Fanakalozan-javatra amin'ny vola, hitadiavantombony: Lasa nanao varotra any an-tsiraka izy. 1 Entana amidy: Aza hitsahinao ity varotr'olona. i t.if.: Voavarotra / mivarotra, fivarotra, mpivarotra / ivarotana, fivarotana / mampivarotra, mifampivarotra, mahavarotra / varobarotra. - F.-p.: Ady varotra: fifamaliana ataon'ny mpivarotra sy ny mpividy momba ny vidin' entana ka ny mpividy mangataka mba hahenan'ny mpivarotra io vidiny io, ny mpivarotra kosa tsy mety mainpihena avy hatrany. / Mamola-barotra: mampitamby ny mpivarotra ny mpividy mba hampihenany ny vidin'ny entana iadiam-barotra, na mampitamby ny mpividy ny mpivarotra mba hanekeny ny vidiny araka ny tiany hivarotana azy. / Manongombarotra: mahita olon-kafa mitady hividy ilay zavatra efa nokasaina hovidina ka manondrotra indray ny vidiny efa nomena. / Mivaro-tena: mahazo vola amin'ny fijanganjangana. / Varotra alika: varotra ifanerena. / Varotra ambongadiny: varotra be no atao fa tsy mitsipotipotika. / Varotra an'elakelatrano, varotra an-kobohobo: varotra atao any an-takontakona tsy sahy mazava noho ny mpivarotra ta hanondrotra ny vidin'entana tsy ara-drariny. / Varotra an-trano tokana: varotra entana tsy mety hita any an-kafa fa ao amin'io toerana io ihany. / Varotra antsinjarany: fivarotana zavatra tsipotehina madinidinika. / Varotra olona: fivarotana olona atao mpanompo. / Varotra omby anaty ambiaty: varo-javatra tsy eo ambany maso. / Varotry ny mananotena: varotry ny mpivarotra misalasala noho izy sady ta hahazo vola no toa tsy mahafoy entana. / Varo-bazaha: varotra tsy misy ady varotra fa efa raikitra hatrany tsy azo ovana ny vidin'entana. / Varoboba: varotra mora dia mora. / Varo-dratsy: fivarotana zavatra nangalarina. / Varodroa: enti-milaza olona roa samy mivarotra zavatra iray (oh. trano iray izay karakaraina mpanera roa samy ha-fa). / Varotra mahay mody: varotra azo averina na afody. / Varo-maika na Varotry ny maika hiala, Varotry ny mai-ka hody: varo-mora. / Varomaizina: mitovy amin'ny varotra an'elakela-trano. / Varo-mandeha: fivarotana enta-na mifindrafindra amin'ny toerana maro samihafa fa tsy amin'ny toerana anankiray raikitra. / Varo-maty: varotra entana tsy azo averina intsony na manao ahoana na manao ahoana. 1 h,o,: Fahafatesana, / Varo-miandry: varotra entana izay avela hijanona eo raha mbola tsy lafo. / Varo-miera na Varo-mifody: varotra entana azon'ny mpividy averina raha tsy mahafa-po azy. / Varotra misy fehi-uauany: varotra misy fepetra izay azo ravana. J Varotra tsy miverimbodiondry: varotra entana nanomezana vola mialoha ho fandraiketam-barotra, ka raha tahiny tsy raildtra ny varotra any aorian, dia lany maina iny vola iny fa tsy averin'ilay olona tompon'entana intsony. / Varo-tay mifody: varotra entana tsy azo averina intsony. 1 h.o.: Fahafatesana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel