Dikan'ny teny : vato

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra mafy sady mavesatra hita ao anaty tany, izay lazain'ny mpahalala fa avy amin'ny fanjarian' ny afo, tany am-boalohany, ho vongana: Tany be vato i Madagasikara afovoan-tany. ? Potik'io voalaza eo ambony: Vary be vato. 1 Ireo toko alahatra amin'ny fanaovana kilalao sasany, toy ny fanorona, katra, dama: Vatom-panorona. ~ Ireo vy na varahina fandanjana efa misy rahateo ny mariky ny lanja: Vato-mizana. ~ Isa azo amin'ny fifidianana: Nitovy ny vato azon-dRakoto sy Baba tamin'ny fifidianana farany. - t.i.f.: Vatoana / mamato, famato / mamatovato, famatovato. - F.-p.: Akora voto: silatsila-bato toa tsy ilaina manao ahoana. / Fo vato: fo tsy mangoraka olona. /Fonosimbato; haham-bato: enti-milaza hafatra tsy nova, voatahiry tsy nisy nahafahana. /Manao am-batonikaky: mandraikitra zavatra indray mandeha, ka tsy azo ovana intsony io; mihenahena amin' ny teny natao, toy ny mpivarotra tsy azo iadiam-barotra. / Mangidy vato: mety hanan-kevitra maro: na fatratra, na sarotra, na tsy laitra. / Nitady toko ka sendra vato: sendra izay notadiavina indrindra (matetika io f.-p. io no tohizana ny hoe: "naniry zaza ka tera-dahy", "nikororoka vary ka sendra rivotra"). / Toro vato nandiauana: maty olona kiady sy voninahitra (mitovy amin'ny hoe: folaka andry niankinana). / Vato ateli-mamba: enti-milaza ny tenin'olona efa ho faty izay tsy maintsy tovfna tanteraka, na koa teny na tsiambaratelo tanana mafy tsy atao misy mahalala. / Vato eran-tanana: olona eo am-pelatanan'ny hafa ka azony ampiasaina araka izay itiavany azy. / Vato fa-mono lolo: olona fanariana ny raharaha rehetra. / Vato fehizoro: vato fototra eo amin'ny zoron'ny trano aoriana. J Vato fiolahana: fialana. ( Vota filokana; vato torahana na vato tsipazana: vato misy loaka notorahan' ny olona ka noheverin'ny mpinompino foana fa fambara tsara raha tafiditra tao anaty lavaka ny vato, fa fambara ratsy kosa raha tsy tafiditra. / Vato kely vaua: kahihitra, mahidy mihirim-belona. / Vota mahery: vato-mizana mavesatra kokoa noho ny ara-dalàna. / Vato mitsangana: vato fahatsiarovana. / Vato nametan-kafatra: olona nametrahana teny ka tsy ma-nova izany. / Vato osa: vatomizana maivana kokoa noho ny ara-dalàna. / Vato tsindry hahazana: ilazana ny vato ataingina eo amin'ny sisin'ny tsihy anahazam-bary mba tsy hikopahan'ny tsihy rehefa tsofin'ny rivotra, ka esorina rehefa mena ny vary. ? h.o.: Zavatra na olona akipaka rehefa tsy misy ilana azy intsony. * Ohab.: Aza atao uato tsindry hahazana, ka raha maioka ny andro atsipy: enti-mananatra tsy hanao tsinontsinona ireo nahitana soa rehefa tsy misy ilana azy intsony. / Vato atora-pody ka tsy mataho-bary hihintsana: enti-milaza zavatra tsy maintsy atao noho ny soa kendrena aminy, ka tsy ajanona na inona inona tonga. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel