Dikan'ny teny : velona

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Misy aina, tsy maty: Velona daholo ny zanakazo namboleko —Mbola uelona any ihany va re izay Rabe e! • Mandeha tsara, afaka mandeha: Efa uelono ve ilay fiarakodianao? • Maneno, midoboka, mirefodrefotra: Velona ny lakolosy — Velona ny amponga — Velona ny tehaka raha vao nitsangana fotsiny izy. • Mirehitra (amin'ny hevitra ara-bakiteny sy an'ohatra): Efa velona ny afo raha hahandro uary ianao — Velona indray ny hatezerany nandre izany teny izany. i Mihiratra, voasoritra, manan-kery: Mbola velona tsara izany fiteny izany — Mbola uelona mandraka ankehitriny ny "Kitay telo andalana". e Manomboka: Na-ka akalana iray avy izahay telo lahy dia velona tamin' izay ny resaka. • t.-p.: Teny atao firarian-tsoa raha misy olona mievina: Velona e! ? p. r nt.: Izaitsizy, aoka izany, fatratra: Maimbo velona io hena io izany! - t.i.f.: Veloma, velomina, voavelona, vinelona / mamelona, famelona, mpamelona / amelomana, famelomana / mivelona, fivelona, mpivelona / ivelomana, fivelomana / mampivelona, mpampivelona / mahavelona / velombelona. - F.-p.: Manao mamy fo uelona: tia tena izaitsizy. / Mihirim-belona: kahihitra fatratra. / Mikimpy velona: miaxitra izaitsizy. / Rano vela-na: rano mikoriana. / Velom-bao: enti-milaza ny vehivavy vao avy niteraka, tera-bao. / Velom-bolo: mitsiatsia tsara, falifaly, miramirana. J Velona akora: miantsoantso, mihorakoraka, / Velona ambod: enti-milaza ny olona tsy maty ny am-boa natao solony tamin'ny fampinomana ka naman'ny naharesy ihany. / Velona antoka: enti-milaza ny zavatra amidy amin'ny vidy nahazoana azy lhany. / Velon-dindo: mana-mpandimby mendrika; masonkarena. / Velondratsy: valons saingy ory fadiranovana. / Velona eritreritra: lasa fisainana, tonga ma-nana ahiahy. / Velon-)aza: nahazo zaza. I Velon-taho: ilazana ireo vodin-javamaniry alaina nefa tsy voaongotra ny tahony. I Tsy velon-komana: mahia kaozatra. J Velo-mihafy: kamboty mlahy tena. / Velo-misalahy: faly amin'ny anjara azo raha mfsy fizaran-javatra natao. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel