Dikan'ny teny : vilany

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra fandrahoantsakafo, mety ho vy na tany: Ny vilany tany izay natokana ho fandrahoan-daaka dia natao hoe "nongo". - F,-p.: Aretim-bilany: teny vazivazy ilazana ny hanoanana. / Maizim-bava vilany: enti-milaza ny hariva efa manomboka maizina. * Ohab.: Izay akaiky vilany feno arina: enti-milaza fa izay eo akaiky matetika no ihandrinan'ny fahasahiranana fa ny lavitra tsy hita hantsoina. / Ny ao am-pon'ny vilany mahamay, ny ao ampon'ny siny mangatsiaka: enti-milaza ny fahasamihafan'ny toetran'ny olona na ny toetran'ny zavatra. / Vilany misarona toa hisy inona ihany: matetika ny zavatra avala iunin'izao na tsy ranima hojerena tsy dia manaitra firy, fa raha saxo-nana na sakantsakanana kosa ny fijerena azy vao main-ka manintona ny saina sy ny maso hijery azy izany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel