Dikan'ny teny : voamena

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Anaram-bola malagasy ampahefatra amby roapolon'ny ariary, izany hoe mitovy amin'ny 0,fr 20 amin'ny vola ankehitriny. — Ny voamena no ampahan' ny ariary nalaina ho fototra ho an'ny vola hatramin'ny lavoamena ka hatramin'ny lasiroa, izany hoe: ny lauoamena (ilan'ny voamena: 0,fr 10), ny latsakafitouenty (voamena latsaka varifitoventy: 0,fr 15), ny latsapaheniny (voamena latsaka faheniny: 0,fr 17), ny voamena (0,fr 20), ny fitouentisivoamena (0,fr 25), ny lasiray (ilan'ny voamena sy iray voamena: 0,fr 30), ny roavoamena (0,fr 40), ny tasiroa (ilan'ny voamena sy roa voamena: 0,fr 50). - F.-p.: Voamena maniho ariary: zavatra kely foana mety hahavery zava-dehibe. / Ny sotro rano My tian'i Neny, ny m'amena zaton'i Da-da: enti-milaza ireo fisahiranan'ny ray aman-dreny amin'ny zanany, ka ny an'ny reny, dia ny mikasika indrindra ny niterahany azy; ny an'ny ray kosa, ny mikasika ny fitadiavam-bola hamelomana azy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel