Dikan'ny teny : vola

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Taratasy na metaly, misy sary ary voamarika, ataon'ny fanjakan'ny tany tsirairay avy, ka manan-kery amin'io tany io hahazoana mividy zavatra: Tsy azo vidim-bola aman-karena izahay. - t.i.f.: Volaina. Ny Ariary (Ar) no anaran'ny vola ampiasain'ny fanjakana malagasy amin'izao fotoana izao: vola majinika vita amin'ny metaly 1Ar na ariary, 2Ar ariary roa, 4Ar na ariary efatra (miloko mavo izy io fa efa tsy dia hita firy intsony), 5Ar ariary dimy, 10Ar ariary folo, 20Ar ariary roapolo, 50Ar dimampolo ariary vola taratasy: 100Ar ariary zato, 200Ar roanjato ariary, 500Ar dimanjato ariary 1000Ar arivo ariary, 2000Ar roa arivo ariary, 5000Ar dimy arivo ariary, 10.000Ar iray alina ariary. ohabolana: aleo very tsikalakalambola toy izay very tsikalakalampihavanana vola aloha mialoha: vodiondrimbarotra jiolahimbola: vola fanao an-tratra htato fiandry volavita: anarana karazana omby Ahitsio
2 na Volafotsy a,: Metaly sarobidy, izay fotsy mamirapiratra manana singa ara-tsimia "Ag" , anaovana vola sy firavaka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel