Dikan'ny teny : volamena

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Karazana metaly anisin'ixeo antsoina hoe "sarobidy": mavomena mamiratra mahafinaritra ny volony, mavesa-danja izy, azo hanifisina faran'izay kely ary tsy mety miova fenitra na oviana na oviana: ireo toetrany rehetra ireo no nahatonga azy hanaovana firavaka sarobidy isan-kazazany sy ho fototry ny sandam-bola miasa eran-tany; misy karazany roa ny vola-mena: ny volamena maitso sy mena. * Ohab.: VoIamena latsaka am-bovoka: tsy auelan'ny tarehiny tsy hihiratra: tsy saro-pantarina fa miavaka eny ihany ny zava-tsoa sy sarobidy na dia very amin' ny toerana tsy mendrika azy aza. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel