Dikan'ny teny : volana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Teny atao, teny aloakan'ny vava, 1 t.if: Volanina / mivolana, fivolana, mpivolana / ivolanana, fivolanana / mahavolana, volambolana, 1 F.-p.: Kobaka am-bava, volana hatenda: teny be fampanantenana eo am-bava fotsiny fa tsy arahim-panatanterahana, / Loa-bolana: vaky vava, tsy maharitra ka miteny. / Ma-bolana ilalana: mandray sy mino izao honohono re eny an-dalana rehetra izao. / Mamaia volana: mihiaka farany (fiteny amin'ny angely izay efa ho resy ka miantsoantso mafy). / Miaiky volana: miaiky fa tsara, mikoy. / Mitati-bolana: mandeha milaza amin' ny lehtbe izay rehetra ataon' ny sasany entina hanaratsiana azy. / Mivadi-bolana: mivadika amin'ny teny natao. / Tsara volana imaso: mihatsaravelatathy. / Tsy miteny tsy mioolana: mizixiziry tsy miteny na dia indraim-bava aza. / Volan-kankafotra: teny na zavatra toy ny teo aloha thany tsy misy fiovany. Ahitsio
2 a.: Antontan-javatra mihodina manodidina ny tany nefs mandray hazavana avy amin'ny masoandro, ka io hazavana io no atarany ety amin'ny tany rehefa mifanitsy ny faritra voazavan' ny masoandro aminy sy ny tany: Telo andro sisa dia ho fenomanana ny volana. 1 Ny fotoana ihodinan'ny volana manodidina ny tany. Ny volana malagasY dia mifanentana amin'ny fihodinan'ny volana manodidina ny tany mihitsy ka maharitra 28 andro mahery kely hatrany ary roa ambin'ny fo-Io no isany: (Alahamady, A-daoro, Adizaoza, Asorotany, Alahasaty, Asombola, Adimizana, Alakarabo, Alakaosy, Adijady, Adalo, Alohotsy), fa ny volana vazaha kosa dia notsinjaraina mitovitovy faharetana fotsiny: Zanvie: 31 andro, Fevrie: 28 na 29, Mar-sa: 31, Avrily: 30, May: 31, Jiona: 30, Jolay: 31, Aogositra: 31, Septambra: 30, 0-ktobra: 31, Novambra: 30, Desambra: 31. - F.-p.: Tsinam-bolana: volana vaovao. / Hitam-biby ny volana: andro faharoa amin'ny fiverenan'ny volana. / Miarim-bolana: andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny fiverenan'ny volana. / Fano volana, Fenomanana: boribory tsara ny volana. / Mira-bolana: fotoana fihenan' ny volana. / Milefi-bolana: herinandro sisa tsy hahatsinana indray ny volana. / Maizim-bolana: fotoana tsy ahitana ny volana. / Maty volana: fotoana ifanandrifian'ny masoandro sy ny tany ka tsy hita mihitsy ny volana. / Mahita volana alohan'i Habiby: milaza habobo (ninoan'ny Ntaolo fa raha vao tsinana ny volana dia hitan'i Habiby mpisikidy, fa ny olona tantra kosa tsy mahita azy raha tsy efa tainan-kateloana: koa izay milaza ho mahita volana alohan'i Habiby dia nataony ho mpilaza habobo daholo. Misy endrika hafa omena an'io fitenenana io koa anefa, dia ny hoe: "Mahita volana alohan'ny biby" satria ninoan' ny Ntaolo amin'ny fandinihana ny biby, hgno, fa raha vao tsfnana indroa andro ny volana dia efa hitan'ny biby sahady). / Mamono volana an-trano na an-drano: manao kitoatoa, manao anjoanjo, / Misoka ny volana: milentika ny volana. / Teraka ny vola-na: mitranga ny volana. /Ma-raine ny volana: misy faribolana manodidina ny volana izay atao koa hoe "latsaka an-tamboho ny volana". / Masoandro amam-bofana: ny ray sy ny reny. / Volana ambony: ny volana ho avy. / Volana hitsahina: ny volana diavina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel