Dikan'ny teny : volo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra lava madinika kely ohatra ny kofehy tantra maniry amin'ny faritra sasantsasany amin'ny tenan'ny olombelona na ny biby ary na dia ny zavamaniry ara: Be volon-tratra io lehilahy io. / Be uolo mahafinaritra ny amboan'i Bary. / Ataon'ny olona fanafody ny volon-katsaka. ~ h,i.: Volon-doha: Efa lava ny volon' ise ka andeha mba hampanetezo. - t.i.f.: Volosana, avolo, voavolo 1 mamolo, famolo, mpamolo l amolosana, famolosana 1 mahavolo l volovolo 1 voloina. - F,-p,: May volon'orona na may volon-tratra: sahirana mafy ka dodona aoka izany er?. / Manala volon'orona: enti-milaza zavatra mandrara-pofona tsara dia tsars. / Manao soa volouoloina: manao soa arahin-datsa. / Manao volo: mamboatra volo, izany hoe mambango na mandrandrana azy. / Vo10 hoho: 1) a.: zavatra bitika kely tsinontsinona — 2) p, t.: tia tena, kahidy. / Volo homan-tena: ilazana singambolo lehibe maningana. / Volo mandady: volo manify manaraka ny fihirifana sy manodidina ny handrina. / Volo maniry: volo mandady amin'ny hatoka. / Volombody malaza: ireo volo lava mivolantsinana amin'ny volom-bodin'ny akoholahy, / Volombodin-trano: ny sisin' ny tafontrano anatiny. / Volom-bato: karazan-javamaniry bitika kely mandrakotra ny vato. / Volo ngita: volondoha sady fohy no mikainkona. / Volon-kazo: ireo toa volovolon-javamaniry amin' ny hazo, savorinala. / Volontany: fomba amam-panao amin'ny tany iray. / Volontany samy hafa: enti-milaza fa samy mamans ny fomba amam-panaony avy ny tany rehetra, / Volo oly: volondoha miolikolika na mivalombalona. / Volo rano: vo-Io manify sady malemy ohatra ny lasoà. / Volo tsotra: volon-doha mitsangana man-dry mahitsy. / Tany lava uolo: tany tsy mbola voavoly. / Ady volom-balala: ady atao amin'ny zavatra tsy dia inona akory. / Mihinana am-bolony: mampiasa zavatra tsy mbola vita akory. * Ohab,: Manao volo ngita mifandray tendro: entina milaza olona miray tetika hanao ratsy. Ahitsio
2 a.: Lokon-javatra na biby: Toy inona no volon' ilay ombinareo very izay? / Ity lamba tanora volo ity entinao fa tena manendrika anao mihitsy, 1 Endrika, tarehy: Tsy volon'olona handeha akory ianao izany! - t.i.f : Mivolo. Ahitsio
3 a.: Karazan-javamaniry fahita amin'ny tany mafana, manana toetra manokana: ny tahony tsoa-tokana tsisy rantsany, mavo malamalama, poaka aty, nefa misy tonony, mety ho voafihin'ny rantsantanana roa ny habeny, ary ny raviny etiety kely maranitra. — Maro karazana ny volo: ny voloandotra, ny voloandritra, ny volodia, ny volodiosy, ny volosanga, ny volosy, ny volotara, ny bararata, ny volotsangana, ny volovaliha, ary ny volovato (jer, ireo teny ireo). —( ? F.-p,: Ambanivolo: entimilaza ny ambanivohitra amin'ny tany amorontsiraka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel