Dikan'ny teny : voninahitra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fankatoavana olona noho ny hatsaram-panahiny na fahaizany na zavatra lehibe vitany: Nahazo voninahitra izy tamin'ny nandreseny ny fahavalo. / Fiamboniana, fiandrianana: Nitandro mafy ny voninahiny izy ka tsy nanaiky ny hiray tetika amin'ny olon-dratsy. 1 Mariky ny hambonian-toerana na laharana ana-nana eo amin'ny firenena: Natao roa ambin'ny folo voninahitra izy. 1 Dera sy laza: Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. - F,-p.: Mahafa-boninahitra: manala ny haja ananana. / Manome voninahitra: manolotra haja sy fankasitrahana. / Manamboninahitra: enti-milaza ireo mpitondra na ny miaramila manana galons ambony. * Ohab.: Voninahitra an-tsobiky tsy atao am-patambary: enti-milaza fa ny haja sy zo tokony hipetraka eo amin' ny zava-dehibe dia tsy tokony haetry amin'ny zavatra madinika. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel