Dikan'ny teny : vono

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Famelezana, fikapohana: Matim-bono any io zozo io fa aza apetraka any intsony. 1 Fanalana aina, fanaovana izay hapafaty: Nataon'ny miaramila vono moka ireo fahavalo ratsy saina, 1 Fitsofana ny jiro. 1 Fikosehana ny soratra tsy ho hi-ta. - t.i.f.: Vonoina, avono, voavono, vonono / mamono, fa-mono, mpamono 1 amonoana, famonoana 1 mifamono / mahavono / vonovono I vonoana. - F.-p.: Vono baibona: ilazana ny fantsika izay alentika mafy, na pehina tsy ho afamitsoaka. / Vita vono baibona: vita mafy, vita tsara. 1 Vono botretra: fampisehoana toetra tsara fanahy na badobado mba hanambakana na hiheveran'ny hafa ny tena ho tsara na olona tsotra. / Vono moka: famonoana ho faty amim-pahanginana ka tsy hisy hahalala na hahatsikaritra. / Vonon-drenikely: famonoana miafina tsy hitan'ny hafa, na famelezana tetehina tsy hisy soritra azo iampangana ilay mpamono, / Vono sotry: fampisotroana tangena ny akohokely roa, ka izay tokoavina ho velona dia velona ary izay tokoavina ho faty dia maty, mba hoentina manambara fa mitsara ara-pahamarinana ny tangena, tamin'ny andro fampinomana fahizay. I Vono tandroka: fandefasana teny mialoha mba hampitahotra izay iadiana. / Vono trebotrebo: famonoana avy hatrany tsy misy fanontaniana na fitsarana kely akory. / Vono vorona: 1) fifandirana izay heverina hitadiavana ny mari-na, ka ny akoho no ampisotroina tangena. -2) filan-kisa enti-mandrahona na mampitahotra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel