Dikan'ny teny : vonto

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Lena hatrany anaty, lena tanteraka: Vonton' ny ranonorana ny akanjony. ~ Tanteraky ny...: Vonton' ny hatsiaka aho izany. ? h. o.: Hontsa: Vonton-kafaliana ny fony. / Vonton'alahelo izy nahita ny zanany maty teo am-pofoany. / Vonton'ny fitiavana an'Andriamanitra. ? Fano tanteraka: Rano vonton-tsiramamy. / Vonton'ny fampianaran'i Mao izy. ~ Lao, boboka: Vonton'ny anatrao aho fa aoka izay. ~ Sosotra, letra: Vonto ny foko isaky ny mahita azy. 1 t. if.: Vontosana, avonto, voavonto I mainonto, famonto, mpamonto / aniontosana, famontosana I mivonto, fivonto 1 ivontosana, fivontosana 1 mahavonto. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel