Dikan'ny teny : vovonana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Rafi-kazo man-dry eo an-tampon'ny trano, izay ipetrahan'ireo lohatrano amin'ny an-daniny roa. - F.-p.: Mita taovovo nana: enti-milaza ny masoandro efa manandrify tsara ny vovonana ka misasaka tsara ny andro amin'io fotoana io (12 ora antoandro). / Vovonana iadian'ny lohany: ny hazo atao lohatrano dia amin'ny vovonana avokoa no mifantsika, ka dia atao ohatra amin'ny ray aman-dreny izay iraisan'ny mpianakavy rehetra, na amin'ny lehibe iraisan'ny olona entiny ny vovonana. J Vovonan-gadra: ny masomby ifampitohizan' ny rojo amin'ireo olo-meloka gadraina. / Vouonan-karaka: ny hazo lava ihantonan'ny haraka rehetra amin' ny fanenomana. / Vovonamizana: ilay tsivalam-by f-han tonan'ny tana-mizana (ny mizana fandanjana vola-mena no lazaina eto). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel