Dikan'ny teny : zara

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Zavatra efa voatendry ho an-tena, anjara, tantana: Ity ny zara fihinananareo. ? Fitantanana: Aza manao zara vilana. / Efa uita ve ny zara uarin'ny marary? ? Vintana tsara, hasambarana: Zara ho azy ny fahombiazany tamin'ny fanadinana. 1 t. if.: Zaraina, voazara, zinara 1 mizara, fizara, mpizara 1 izarana, fizarana 1 mahazara j zarazara. - F.-p.: Be zara: manam-be sy nambfnina ka tretrika. / Lany zara: 1) enti-milaza zavatra nozaraina ka tsy misy ambiny hozaraina intsony. -2) enti-milaza koa ny zazavavy efa lehibe tsy misy ma-ka vady intsony. / Mananjara: manana tombon-tsoa manokana tsy ananan'ny ha-fa, mahazo soa, sambatra. I Zara fa vita: vita kongorevo sady ratsy. / Zara fihinanana: enti-milaza ny vola na zavatra na sakafo omena ny havana misaona amin'ny fandroana noho izy tsy mba "mandro". / Zara levenana: anarana enti-milaza ny vola famangiana amin'ny fahoriana omen'ireo havana akaiky dia akaiky ny tompo-manjô ka izy io no lehibe indrindra amin'ny famangiana atao raha misy fahoriana. / Zara nahandro: ny fanomezana o-mena ny olona tonga manatrika fandevenana. / Zara tokon-kena: 1) anjara hena mitovy. -2) fiteny ilazana ny rahavavim-bady alain'ny lehilahy iray maty vady. / Zara vilana: fizarana tsy marina misy fiangarana ka misy kely sy lehibe. / Zarazara hoditra: ilazana volon-koditra izay tsy lasa fotsy nefa tsy mainty koa. * Ohab.: Tondraka anio manan-jara, izay ampitso ka ho hitanao: fitenin'ireo manaram-po indray andro amin' ny be ananany fa tsy miraharaha na mitsinjo izay ho avy, Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel