Dikan'ny teny : zaza

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Ankizy mbola kely tsy tonga taona: Tsy dia azo omen-tsiny loatra ny zaza. ? p.t.: Tsy mato-tsaina, tsy mieritreritra, manao fanahinjaza: Ny uatany fotsiny no lehibe fa mbola zaza raha I-koto, - t.i.f.: Mihazaza, fihazaza 1 ihazazana, fihazazana 1 mazaza. - F.-p.: Zaza ampY mihira: zaza efa voafandriky ny renin-drazazavavy mialoha fa hotezainy. / Zaza atodiorokoroka: zaza kely vao tara-ka. / Zaza bodo: zazambola tsy vory saina. ¶ M.h.: Voatavo tsy mifandraka. / Zaza botretra: tsy mbola mahay mivoaka irery (na mangery na mivalan-drano). / Zazahova: olom-potsy noverezintrosa ka nandevozina. / Zaza indray mihira: olona mitovitovy taona niara-nilalao. /Zaza iray ranonorana: mbola kely, vao herintaona. / Zaza kamboty: zaza maty ray sy reny. / Zaza kamboty ila: zaza maty ray na reny ihany. / Zazakely: zazambola kely, eo amin'ny herintaona na roa taona. / Zazalava: zanaky ny mpiray tam-po izay nifanarahan'ny ray aman-dreniny fa hanana anjara mitovy amin'ny lova izay tonga hiombonana amin'izay fotoana izay. 1 Zaza mahalia tala-na: zaza mety ho tonga irery any amin'izay alehany. / Zaza mahary tanàna: zaza afaka mihazakazaka irery eran'ny tanàna, / Zaza mahasaro-dreny: tsy tantanan-dreniny intsony rehefa mande-ha. / Zaza mahatokan-dalana: (mitovy amin'ny mahalia lalana). / Zaza mandry fe ha-riva: zaza mahantra mandry amin'izay aharivan'ny andro. / Zaza manga: ireo Masombika namidy ho andevo teto fahizay. / Zaza maroroka: zaza mitombo izaitsizy ka tsy arakaraka ny fitomboan'ny vatany ny fitomboan'ny sainy. I Zaza menauaoa: zaza vao teraka na vao musa andro na volana vitsivitsy. / Zaza miavona: zaza tsy teraka ohatra ny zaza rehetra fa ny fïtombenany no miseho sy lasa aloha fa tsy ny lohany. 1 Zaza mifonaizana: zaza iray tam-po mifanarakaraka. / Zaza mitoetra irery: zaza efa mahay mipetraka irery. / Zozo natsangano: zaza nosoratana tamin'ny fanjakana na "natsangana" teo anatrehan'ny fokonolona fahiny ka nolazaina fa hatao toy ny zanaka nateraka mihitsy, tezaina ary mahazo mandova ny fananana. / Zaza rano: zaza maty raha vao teraka kely foana. / Zozo sary: zaza tsy manandray ara-dalàna. / Zaza tsy maoty: zaza tsy mbola misara-nono. / Zaza uao: 1) olona Zeh vao miana-draharaha, mp anavao: Mboid zozo uao amin' ny raharahony izy; -2) ireo tovolahy vao nantsoina ho miaramila. / Zaza votsa na koa zaza hetry: zaza tratra aoriana amin'ny fandehanana. / Zaza momba reny: entin-dreniny, izay nisaraka, rehefa nahazo vady reniny. / Zaza seua: diso aoriana kely ny fotoan'andro ahaterahany. / Zaza tsy an-tranon-dreny: zaza mitoetra amin-drenikely. / Afa-jaza: enti-milaza vehivavy teraka tsy mbola tonga andro ny zanany ka maty. / Manala zaza: manao izay hahafaka ny zaza ao ankibo. / Manangan-jaza: milaza ary manoratra amin'ny bokim-panjakana na mampiseho eo anatrehan'ny fokonolona fa Ranona dia zanahina ka mahazo mandova ny fananan'ny tena. 1 Manary zaza na mamalan-jaza: milaza ary manoratra amin'ny bokim-panjakana na mampiseho eo anatrehan'ny fokonolona fa Ranona, izay zaza naterany dia ariany na avalany tsy ho zanaka intsony ka tsy mahazo mandova ny fananany. / Mihetsi-jaza: entimilaza ny vehivavy bevohoka izay mahatsiaro maharary fa efa akaiky ny hiterahany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel