Dikan'ny teny : zoro

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Fikaonan'ny tsipika roa mifanapaka: Zona sokera, zoro dombo, zoro mura-nitra. • Faritra kitso eo amin'ny fihaonan'ny rindrina roa: Zoron-trano. ? Rira-na, ny mivohitra amin'ny fihaonan'ny lafy roa mifanapaka: Telo zoro ny zozoro. / Zoron-databatra. ? Kiho: Zoron-dalana. ~ Ireo lafy avaratra-atsinanana; atsimo-atsinanana; atsimo-andrefana; avaratra-andrefana amin' ny tany atao hoe: vazan-tany: Zoron-tany efatra. ~ Ny hazo atao amin'ny zorontrano efatra amin'ny trano kotona nahatonga ny fitenenana hoe "sakeli-mihoa-joro". - F.-p.: An-joro: ny eo atsimo atsinanana atsimom-patana tamin'ny tranon'ny Ntaolo fahiny. / Mahery anjoro: ilazana ny akoho ma-mono ny namany ao am-pisoko, nefa nony any ivelany kanosa mandositra ny akoho hafa. 1 h.i.: Olona mfldtakita sy ratsy fitondra ny ao an-trano, nefa tsy mahasehaka firy amin'ny any ivelany. / Misary zoro: ilazana ny akoho mankeo an-joro fa te-hanatody. / Zoro firarazana: ilazana ny zoron-trano avaratra-atsinanana izay natao firarazana (rary) na fivavahana. / Zorombarauarambe: ny zoron-trano atsimo-andrefana. / Zorom-barauarankely: ny zoron-trano andrefana-avaratra. / Zoron'akoho: ny zorontrano atsimo-atsinanana izay nitoeran'ny akoho amamborona nompiana (jer. an-joro). * Ohab.: Tsy hadalan'ny akoho no itoerany eo an-joro, fa toeram-boazara: entimilaza ny fanekena ny anjaran'ny tena, na ratsy io na tsara. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel