Balita | : | p. t.: Voky sakafo ny kibo. 1 Vetaveta, ratsy fitondran-tena: Touolahy balita haina. ¶ M. h.: Katritra, amboafitritra, batritra, olona tsy ampoka, tsy manjary, mialikalika, mitritratritra, miangiangy, fotsy fanahy. 1 t. t. f.: Mibalitalita.
Ahitsio |
Balita | : | a.: Anaram-bosotra fa-nome zaza kelikely sady badobado.
Ahitsio |
Bamàko | : | (Ski) a.: Karazan'oviala boribory sady lehibe ny vodiny.
Ahitsio |
Bamba | : | p. t.: Miely eran'ny manodidina rehetra, mihanaka hatraiza hatraiza, fampiasa indrindra amin'ilay fiteny hoe: Bamba iray na bambaray, izay mety hanan-kevitra roa: 1) Mitovy tantana hatrany hatrany: Tamin'ilay tondra-drano taona itsl, bamba iray daholo no fijery ny havoana sy ny lemaka. 2) Rakotra hatraiza hatraiza: Barnbarain'ny fery ny tenan'i Joba,
Ahitsio |
Bana | : | Banabana ft.: Enti-milaza zavatra, indrindra varavarana na vavahady, mivoha tanteraka. 1 t.if.: Banabanaina, abanabana, voabanabana / mibanabana, fibanabana 1 ibanabanàna, fibanabanàna 1 mahabanabana. - F.-p.: Bana ny andro: Mazava be ny andro. ¶ M. h.: Banabana, danadana, tanatana, sanasana.
Ahitsio |
Banabana | : | (Ski) a.: Fitondrana zavatra eo amin'ny felatanan-droa ka aingaina tandrifin'ny soroka ho Tomba fanajana.
Ahitsio |
Banabanaina | : | (banabana) mt. ih.; f. m. (banabanao): Vohaina mibanabana: Nobanabanaina ny varavaram be hidiran'ilay lalimoara.
Ahitsio |
Banahina | : | (banaka) mt. ils. (banaho): Vohaina.
Ahitsio |
Banaika | : | p:t.: Enti-milaza toetra fa indrindra fandeha tsy taitra, tsy mihontsina. / t.i.f.: Mibanaika, fibanaika / ibanehana, fibanehana.
Ahitsio |
Banàka | : | ft.: Enti-milaza toetran-javatra mivoha, misokatra tsara. i tif: Banahina, abanaka, voabanaka / mibanaka, fibanaka f manabanaka, fanabanaka 1 anabanahana, fanabanahana 1 manabanaka.
Ahitsio |
Banake | : | (Ski) a.: Anaran-kazo ahazoana hafotra amehezana ny bararata atao trano.
Ahitsio |
Banbka | : | a.: Karazan'ahitra fanaovan-tsatroka.
Ahitsio |
Bandia | : | na Bandiana a.: Entimilaza rehefa mety ho anentan'entana, fa indrindra anentan-damba.
Ahitsio |
Bandrina | : | a.: Fifan tohan'ny maso mafy eo am-pijerena; fijery maherihery toy ny misy hatezerana na indraika kosa alahelo. i t. f, f.: Bandrinina, abandrina / mibandrina, fibandrina, mpibandrina / ibandrinana, fibandrinana 1 mahabandrina.
Ahitsio |
Bandrinina | : | (bandrina) mt. ih. (bandriho): Jerena amin'ny maso mivontirika mivandravandra mahatahotra: Andeha isika handeha fa tsy tiako ny hobandrinin'ir? olona toa adula toa inona
Ahitsio |
Bandro | : | a.: Jiolahy, mpangalatra sy mpandroba. ¶ M. h.: Androvo, jirika.
Ahitsio |
Bandrolahy | : | a.: Olona nobaboina tan'ady na nangalarina, na novidina, ka ampanompoina atao andevo.
Ahitsio |
Bandromena | : | (Tsm) a: Omby mena fotsy takiba.
Ahitsio |
Banga | : | p.t.: Afa-nify, afaka: Lahiantitra banga. / Ny eo anoloana no banga ny nifindRamatoa io ka maharatsy azy aoka izany.• Nahafahana, simaka, rombina: Misy banga it? tamboho it/ ka tokony hamboarina. / Tsy misy banga hofenoina ny uoalazanao na madilana hotentenana. 4 Nisy niala ka tsy ampy: Tsy manaiky aho raha misy banga ny volako, na ariary aza. - t.i.f.: Bangaina / manabanga, fanabanga, mpanabanga 1 anabangana, fanabangana 1 bangabanga. - F.-p.: Banga ridana: tsY misy nify na dia iray aza. / Banga ridana tsy am-bodiakoho: enti-milaza ny ankizy banga mifo-nify (heverina manko fa ny antitra ihany, izay omena ny vodiakoho, no tokony ho banga). * Ohab.: Banga mihomehy: miamboho uao mitokelaka: Enti-milaza ireo olona mba mahalala menatra ihany ka tsy sahy mampiseho ny toetra ratsy imasom-bahoaka. / Ganga ny nify, adidin'ny loha: Izay akaikin'ny zavatra simba no tompon'andraikitra amin'izany. / Banga sendra voatavo: sendra ny antonona azy: Fifandrifian-javatra roa araka ny nahariana azy (masa-bary maito kitoza); na olona tsy mahay sendra raharaha mora antonona azy. / Banga very antsy: ny ho ken-da no ampoizina: Rehefa tsy manam-pitaovana, aoka hanampo fahavoazana. / Manaram-po ohatra ny banga mihomehy maizina: Enti-milaza ireo olona ratsy toetra ka manararaotra izaitsizy ny toe-javatra sendra.
Ahitsio |
Bangabanga | : | (banga) p. t.; t.u. r.: Enti-milaza fahabangana etsy sy eroa.
Ahitsio |