Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanakaramana: (karama) a. Fakana olona hanao asa ho an'ny tena, izay omena vo-la amin' izany. Ahitsio
Fanakarana: (takatra) a : Fiezahana hahatratra zavatra ambony toerana ka manatsotra ny sandry. Ahitsio
Fanakararana: (kararana) a Fomba entina manakararana, mampidina rano hifantsitsitra. Ahitsio
Fanakararanana: (kararana) a. Fampidinana rano mba hampandeha azy mifantsitsitra. Ahitsio
Fanakarenjena: (karenjy) a. Fanenjehana; famelana ny biby (omby, ondry) hifalihavanja, hihenjy. Ahitsio
Fanakarenjy: (karenjy) o. : A-lefa hihenjy. Ahitsio
Fanakasohana: (kasoka) a Fampikasihana, fisafoana. Ahitsio
Fanakasoka: (kasoka) a. : Fomba entina manakasoka, mampikasika. Ahitsio
Fanakatona: (katona) a. : Fomba entina manakatona. Ahitsio
Fanakatonana: (katona) a. Fandrindrinana. Ahitsio
Fanakatra: (takatra) a : Fomba entina manakatra. 1 p. t. Azo takarina. Ahitsio
Fanakatrahana: (katraka) a. Fampikepohana. Ahitsio
Fanakatraka: (katraka) a.: Fomba entina manakatraka, mampikepoka. Ahitsio
Fanakebona: (kebona) a : Fomba entina manakebona, manetsiketsika ny rano; mitaona, mamoky. Ahitsio
Fanakebonana: (kebona) a. Fanetsiketsehana (ny rano); fitaomana, famokisana; fihatsiana. Ahitsio
Fanakekezana: (akaiky) a. : Fanatonana. Ahitsio
Fanakelezana: (kely) a: Fanaovana izay hahakely; fampihenana (habe, isa); fanafohezana. Ahitsio
Fanakely: (kely) a. : Fomba entina manakely, mampihena (habe, isa), manafohy. Ahitsio
Fanakema: (kema) a : Fomba fanasiana dembana, banga somaradimbana kely. Ahitsio
Fanakemana: (kema) a. : Fanasiana dembana. Ahitsio