Litera G

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Gaina: Gaingaina a.: Hafanan' ny andro tsisy rivotra ary tsisy rahona, maina be. - t.i.f.: Migaina, migaingaina / figaina, figaingaina. Ahitsio
Gaindo: (Ski) a.: Hazo na vy amatorana ny tadim-batofantsiky ny botry. Ahitsio
Gaka: a.: Fanenon'ny vorombazaha na ny goaika. - t.i.f.: Migaka na migagaka,figagaka. Ahitsio
Gaka: a.: Vola na tamby hafa omena olona mba hanao raharaha efa anakaramana azy ara-dalàna: Tsy nety nanao ilay raharaha Rabe raha tsy nomena gaka. ~ M.h.: Tsolotra, kolikoly, totohondry vola, sisika. - t.i.f.: Migaka. Ahitsio
Gaka: a.: Fisotroana (rano) ka agorodana avy hatrany. i tif: Migaka, figaka, mpigaka. Ahitsio
gala:Milaza vola arivo ariary Ahitsio
Galabina: a.: Tsy fisian'ny mpanelingelina, filaminana tanteraka. i tif: Migalabina, figalabina, mpigalabina 1 igalabinana, figalabinana / galabindabina. Ahitsio
Galagato: (Ski) a.: Karazampoza. Ahitsio
Galera: a.: Karazam-bankona fandrafetana. Ahitsio
Galona: (fr. galon) a.: Ribà matevina misy tsorian-kofehy volamena na volafotsY apetaka amin'ny vozona na lohatanana na tratran'akanjo ho mari-pahamboniana sy voninahitra. * Fiten.: Galona sy lopotra: tafaray samy soa: enti-milaza zavatra roa mahay ary tsara miaraka aoka izany (tafavoaka tsara tokoa ny kofehy volamena na volafotsy eo ambonin'ny lopotra mainty mihilontrilona). Ahitsio
Gama: na Gamatra (fr. gamme) a.: Fitambaran'ny feo miakatra na midina izay mifanao ambaratonga, fototra ahazoana ny feo rehetra hanaovana hira; miss valo izy ireo: do, re, mi, fa, sol, la, si (na ti), ary ny do ambony, Ahitsio
Gamatra: p, t.: Mitovy, sahala. Ahitsio
Gamela: (fr. gamelle) a.: Karazana tavy fasiana rano fa lehibe ny vavany ary miss tahony fivimbinana azy. ¶ M.h.: Patsipatsy. Ahitsio
Gana: a.: Feom-baravarana rehefa vohaina na arindrina. i t.i.f.: Ganina I agana,voagana / mangana, managàna, fangana, mpangana I anganana, fanganana / migàna, figana, mpigana 1 iganana, figanana f mahagàna 1 gangàna. Ahitsio
Ganagana: na Kanakana na Vorombazaha a.: Voronandrano fiompy fisa-bava ary misy toa hoho mifaingoka midina ny tendrom-bavany ambony; fiantsoana io vorona io, - t.i.f.: Ganaganaina f miganagàna, figanagàna / iganaganàna,figanaganàna. Ahitsio
Ganaganaina: (ganagana) mt ih. (ganaganao): Antsoina (tsy fiteny afa-tsy amin'ny ganagana na vorombazaha). Ahitsio
Ganga: (t. tr.) p.t.: Soa dia soa, ambony dia ambony. Ahitsio
Ganina: (gana) mt ih. (gano): Arindrina na kapohina mafy: Aza ganina toy izany ny uarauarana. Ahitsio
Gaona: a.: Dona, paika. - t.i.f.: Agaona, voagaona / migaona, figaona / igaonana, figaonana. ¶ M.h.: Dona, paika, poka, gona, katroka. Ahitsio
Gaona: (t.t.m.): Ankizilahy. Ahitsio