Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kitsongoe: (Ski) a.: Karazan 'amalon- dranomasina. Ahitsio
Kivahivahy: Kivahivahiny p.t.: Lava manifinify, lava marotsaka: Tovouauy kivahivahin y. Ahitsio
Kivahy: (Btm) a: Alika, amboa, kivindro. Ahitsio
Kivakivaka: Jer. Ivakivaka. Ahitsio
Kivalavala: p. t.: Be vazivazy, be vosobosotra somary tsy mendrika, olona tsy ampoka. Ahitsio
Kivalavala: a: Fefifefy amarita• na tan àna na voly. Ahitsio
Kivalavala: a.: Anja-by lavalava fanaovana tefy madinidinika. Ahitsio
Kivaleo: (Ski) a: Angoa-tenda mifamaly ataon'ny ankizilahy. Ahitsio
Kivarivary: a: Tsilalaon'ny ankizy manao nahandrohandro ka vovoka no ataony solon' ny vary. Ahitsio
Kivarohy: (Ski) a: Garaba fitondrana vorona, vita amin' ny tsira-bolotsangana na tsira-pantàka, vahy, tsimbilaotra na satrana. Ahitsio
Kivazivazy: a: Teny atao mba hampihomehy, teny atao ne-fa tsy tokony hoheverina ho tena izy fa sarisariny fotsiny: Be kivazivazy koa Rangahy ity izany. 1 t.if.: Manakivazivazy. Ahitsio
Kividividy: a.: Lalaon'ankizy izay misy mody mivarotra sy mody mividy zavatra. Ahitsio
Kivihy: p.t: Mahantra dia mahantra, fadiranovana. Ahitsio
Kivilivily: a.: Fihetsiketsehanjavatra mihantona miankavia sy miankavanana, - t.i.f: Akivilivily, voakivilivily, tafakivilivily / manakivilivily, fanakivilivily, mpanakivilivily / anakiviliviliana, fanakiviliviliana / mikivilivily, fikivilivily, mpikivilivily 1 ikiviliviliana, fikiviliviliana / mahakivilivily, Ahitsio
Kivina: (kivy) mt.ih. (kiuio): Atao izay hahakivy, ketrahina: Aza kiuinao amin'izany filazana antsanga tsy aman' orana izany ny zanako. Ahitsio
Kivindro: (fit.-p.) a: Alika. Ahitsio
Kiviro: a.: Anarana taloha niantso ana ny kavina. i t.i.f•: Mikiviro. Ahitsio
Kivolavola: a: Lalaon'ankizy ka ny tavilotra no mody ataony hoe vola. Fotaka volavolaina ho boribory, na zavatra hafa atao toy izany. Ahitsio
Kivona: (Btl) a: Randram-bolo betsileo avona tsotra amin'izao. Ahitsio
Kivorivory: p. t.: Boribory mivohitra. - t .L f• : Manakivorivory. Ahitsio