Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manatakizina: (takizina) mt.p.: Mahatonga maizina; mahatonga fadiranovana; mampahalany harena;mambotry. Ahitsio
Manatakobaka: (takobaka) mt. p.: Manetsiketsika zavatra ao anaty rano, manakobana, manetsiketsika na manao izay hampikobana ny ratio ao anaty tavy na fitoeran-drano hafa, mampikobana. Ahitsio
Manatakoboka: (takoboka) mt p.: Mametraka ao amin'ny filanjana misarona; manafina anaty lamba. Ahitsio
Manatakoditra: (takoditra) mt. p.: Mahandro miaraka amin' ny hodiny. Ahitsio
Manatakosina: (takosina) mt p.: Manao izay hahatonga boribory lavalava. Ahitsio
Manatakotroka: (takotroka) mt.p.: Mampipoaka, mampidoboka. Ahitsio
Manatakovana: (takovana) mt. p.: Mametraka zavatra betsaka (fotaka amin'ny rindrina, amin'ny tareby...) mba hivangongo, hifanosontsosona. Ahitsio
Manatalantalana: (talantalana) mt.p.: Manisy talantalana, mametraka ambony talantalana. Ahitsio
Manatamana: (tamana) mt.p.: Mahatonga ho tamana, manao izay hahatamana: Sarotra ny manatamana biby sasany. Ahitsio
Manatamberina: (tamberina) mt p.: Mampandeha dia miverina; m ampiho dinko din a eo an-toerana ihany; mampivezivezy mandroso dia misangodina eo amin'izay nialana. Ahitsio
Manatamberivery: (tamberivery) mt.p.: Mampisodisosy. Ahitsio
Manatambesatra: (tom besatra) nit p.: Mamp ahavesatra (zavatra) amin'ny fanindriana na flankmana maty eo amboniny. Ahitsio
Manatambolavola: (tambolavola) mt.p.: Manao ho boribory, mamolavola. Ahitsio
Manatambolina: (tambolina) mt.p.: Mampisangodina. Ahitsio
Manatambongana: (tambongana) mt. p.: Mampitambatambatra mivongambongana. Ahitsio
Manatambororotra: (tambororotra) mt p.: Manakororosy hankamin'ny ambany. Ahitsio
Manatambotsotra: (tambotsotra) mt.p.: Mampidina ambanimbany kokoa, manakorisa. Ahitsio
Manatamora: (tamora) mt.p.: Manamora, mampihem-bidy, mandetsy. Ahitsio
Manatampify: (tampify) nit p.: Manankin a, m ampipetaka, mampifanoroka amin'ny ha-fa Ahitsio
Manatampisaka: (tampisaka) mt.p.: Mandraikitra, manankina. Ahitsio