Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Saotra: (Btl) a.: Fivavahana amin'ny Razana. Ahitsio
Saozanina: p. t.: Farary, kely hery sy osa. * t.i.f•: Hasaozanina, fahasaozanina. Ahitsio
Sapaoritra: (angl. support) a.: Fomba fiarahaban'ny miaramila ny manamboninahitra, matetika miaraka amin' ny mozika: Manome sapaoritra. * t.i.f•: Misapaoritra, fisapaoritra, mpisapaoritra. Ahitsio
Sapapa: (Br) a.: Enti-milaza tandrok'omby miolaka miakatra. Ahitsio
Sapile: (fr. chapelet) a.: Fitohitohizam-boa toa vakana dimampolo mizarazara ho antokony tsifolofolo hanisana ny "Arahaba, ry Maria", fivavahana ataon'ny katolika amin'i Masina Maria: Manao sapile. / Toko sapile roa no asa fivalozana azoko. Ahitsio
Sapokony: a.: Ny tendron'ny antsamotady. ? Ny lohankaravasy. Ahitsio
Sara: a.: Vola aloa amin'ny zavatr'olona ampiasaina mandritra ny fotoana fohy na haingana, na miserana: Saran-dakana. ? Vola nomena taloha ny mpanao fanafody. ? (ankehitriny) Vola aloa amin'ny zavatra ara-tsaina raisina avy amin' olona, ka tsy azo lazaina hoe vidiny: Saram-p ia na ra na. - t.i.f.: Sauna, asara, voasara, sinara 1 manasara na manara, fanasara, mpanasara/ anasarana, fanasarana / mi-sala 1 isarana, fisarana / mahasara. - .F.-p.: Sara-mahazaka: ny hena omena ny tompon'ny tady mahazaka naningorana ny omby vonoina. / Sarambata: zavatra kely nomena ny tompon'ny vata namarana. / Saram-pamaky: hena nomena ny tompon'ny famaky nizarana ny hena. / Saram-panafana, saram-panafody: ny vola na zavatra vidin'ny fanafody nomena ny mpitsabo. / Saran-dakana: ny vola na zavatra omena ny mpampita lakana. / Saran-dalana: ny vola aloa amin'ny mpilanja na ny ni-tondra teny an-dalana. / Saran-tanana: ny vola na zavatra nomena ny olona nanasitrana. / Saran-tokotany: hofan-tokotany. / Tsy mahaleo ny sarany ny vidiny: entimilaza ny zavatra izay mihoatra noho ny vidiny ny vo-la nikarakarana azy. ¶ M.h.: Haba, hofan-toerana, vidin-toerana. Ahitsio
Sara-droa: a.: Karazan-tao volom-behivavy tsotra indrindra manarakaraka ny ban-go tokana: bangoina ny volo amin'ny andaninY roa avy amin'ny soritra afovoan'ny loha, dia avala samy hidina, voarandrana. Ahitsio
Sarahina: (saraka) mt, ih. (saraho): Tsy akambana, hatahina mba tsy hikambana, avahana: Tokony hosarahina amin'ny ahidratsy ny vary. ? Tsy avala hiaraka, tsy ampiarahina: Taloha nosarahina tany am-pianarana ny zazalahy sy ny zazavauy. 1 Ahataka: Saraho ireo ankizy miady ireo. • Faritana: Sarahin'ny renirano iray ireo faritany roa ireo. ? Elanelanina: Sarahin'ny tendrombohitra roa ambin'ny folo isika nefa tsy mifanadino. Ahitsio
Saraka: p.t.: Vaky; tsy mitambatra, tsy miaraka; miavaka. ? Enti-milaza olona roa samy mihalangalana tsy misy ifandraisany. - t.i.f.: Sarahina, asaraka, voasaraka, sinaraka, tafasaraka ( manasaraka, fanasaraka, mpanasaraka / anasarahana, fanasarahana / misaraka, fisaraka, mpisaraka / isarahana, fisarahana / mahasaraka / saratsaraka. - F.-p.: Sarak'andriana: zanak'andriana tsy mahazo manjaka. / Saraka andro: enti-milaza ny zaza izay tsy ampinonoina raha tsy hariva, tahaka ny zanak'omby na ny zanaka vehivavy miasa mandritra ny andro. ( Sarak'atiny: hena akaikin'ny atiny, ary isan'ny fadin-kena. / Sarak'olona: lavitra ny havana sy ny fianakaviana, fa ny te-na irery. Ahitsio
Saraka: a.: Ny zanak'omby sarahina amin'ny reniny: Na hanavasaua aza ny uositra — ka hiueriuery mandany andro ny saraka izay voahitsaka ihany no mandry. (Tselatra) Ahitsio
Sarakatiny: a.: Sombin-kena kely eo akaikin'ny atiny. Ahitsio
Sarakaty: a.: Fihary eo ambanin'ny vavony manome ranom-pandevonan-kanina roa karazana. Ahitsio
Saramba: (Atm) a.: Tovovavy. Ahitsio
Saramba: a.: Ny ankamaroan' ny olona, ny be sy ny maro (matetika no ampiarahina amin'ny hoe "be" izy amin' ity hevitra ity: sarambabe): Tsy olom-bitsy fa ny sarambaben'ny olona mihitsy no mihevitra toa ahy ny amin' io. Ahitsio
Sarana: (sara) mt. ih. (sarao): Andoavana: Sarana ohatrinona ny lakanao hitondra anay erY ampita en). ? (mpanao fanafody) Karamaina: Nosarako roapolo ilay mpanotra ny tanako folako. Ahitsio
Sarandrana: a.: Lamba lavalava ataon'ny lehilahy manodidina ny feny sy ny valahany. ¶ M.h.: Salaka, sadika. Ahitsio
Sarandranina: (sarandrana) mt. ih. (sarandrano): Ampanaovina sarandrana na salaka. Ahitsio
Saranga: a.: Halava, halavana, tsanganana. • Fahamendrehana, haja: Tsy hitovy saranga na ooiana na ouiana amin' ny Filoham-pirenena ny mpiasa an-tranony. • F.-p.: Mitouy saranga: mitovy halava, tsanganana, mitovy hamendrehana (nampiasaina taty aoriana mba hilazana fitovian-jo aman-kasina ka tsy misy ambony sy ambany). Ahitsio
Sarangaranga: a.: Aretin-kibon' ny vehivavy efa madiva hiteraka. - t.i.f.: Misarangaranga, fisarangaranga, mpisarangaranga. Ahitsio