Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mamanabana: (banabana) mt. p. (mamanabanà): Mampidanadana, manao izay hampisokatra midanadana. Ahitsio
Mamanala: (fanala) p.t.: Mangatsiaka izaitsizy. Ahitsio
Mamanavana: (vanavana) mt.p.: Manokatra mitanatàna be. Ahitsio
Mamandambandana: (vandana) mt.p.: Mahatonga ho maramara Ahitsio
Mamandana: (vandana) mt.p.: Manao izay hahavandana, maram ara, sada. Ahitsio
Mamanditra: (vanditra) mt.p.: Mampivohitra mitsoriaka la• valava Ahitsio
Mamandraka: (fandraka) mt.p. (mamandraha): Mandoaka a• min'ny fandraka, mampiasa fandraka: Tsy mahay mamandraka akory ise izany. ? Mandresy lahatra. ? Mamita, mahatontosa. Ahitsio
Mamandravandra: (vandrauandra) mt.p.: Manokatra be ny maso; mijery amin'ny maso feno hatezerana na fandrahonana. Ahitsio
Mamandrika: (fandrika) mt.p. (mamandriha): Maka amin' ny alalan'ny fandrika: Mahafinaritra an'i zandry ny mamandri-borona rehefa any ambanivohitra ? h.o.: Manao izay hahavoa amin-kafetsena: Matetika io mpianatra io no mamandrika an-dRamose amin'ny fanontaniana saro-baliana ? Mangorona: Mamandri-bary ny olona amin'ny fararano. ? Mividy mialoha zavatra tsy mbola vita na zavamaniry tsy mbola azo hanina: Efa nisy namandrika daholo ireto foto-kafe ireto. / Mamandrika gazety. / Tonga hamandrika ny dikisionera malagasy - malagasy aho, tompoko. Ahitsio
Mamandrotra: (fandrotra) mt p. (mamandrota):' Mamatotra singory. Ahitsio
Mamanga: (vanga) mt.p.: MM-dy. - F,-p.: Manan-tsy mamanga: mahazo fotsiny tsy mividy. Ahitsio
Mamangitra: (fangitra) mt.p. (mamangita): Mamaritra Ahitsio
Mamango: (vango) mt.p. (mamangoa): Mamely, mikapoka, ? Manesokesoka, mandrapadrapaka, mihinana fatratra. Ahitsio
Mamangoka: (fangoka) mt. P. (mamangoha): Mamandrika, mamela-pandrika, manolikoly. Ahitsio
Mamangotra: (fangotra) mt p. (mamangora): Mamadiditra. Ahitsio
Mamangovango: (vango) mt.p. (mamangovangoa): Manao zavatra amin'ny ankapobeny fotsiny. Ahitsio
Mamangy: (vangy) mt.p. (mamangia): Mandeha mitsidika olona any aminy ho fanehoana firaisam-pihavanana, na ho famalifaliana azy raha marary izy: Andeha hamangy an'i Dadabe any atsimo izahay. ? Mitsapa alahelo, manalady: Tonga mamangy anareo izahay, tompoko, amin'izao nahal?asanan'Itompokolahy izao. ¶ .h.: Mitsidika, mitsirika, miantrano. Mamangy manjo, mamangy amin'ny fahoriana, mitsapa alahelo, mitsapa fahoriana, manalady, mamao-dranomaso, miati-dranomaso. Ahitsio
Mamankona: (vankona) mt.p. (mamankóna): Manadio hazo amin'ny vankona ho tonga malamalama tsars. Ahitsio
Mamantaka: (fantaka) mt.p. (mamantàha): Manatsatoka, mandentika, mandetra tsatokazo amin'ny tany. Ahitsio
Mamantana: (vantana) mt, s. (mamantàna): Mandeha mahitsy mankany..., manitsy: Mamantana any amin'ny Paositra ity lalana it?. ? Tonga avy hatrany tsy mivilivily: Aty aminareo izahay no mamantana noho ny fifankahalalantsika. ? Mandeha tsy misy mitana: Namantana tany an-kady ilay fiara fa tapa-ka, hono, ny gadran-kodiarana. Ahitsio