Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Atrotrongy: (trotrongy) (mt. at. (atrotrongio): Alavo na atosika, ka ny lohan'ilay olona atosika atao mitehika amin'ny tany mihitsY. Ahitsio
Atsa: (Ski) a: Fivoizana lakana moramora ataon'ny mpihaza faim na sokatra mba tsy ho henony. Ahitsio
Atsabaka: (tsabaka) mt. fit. (atsabàho): Entina mitsabaka: Tanany maloto iny no natsabany tao am-pantsakana. Ahitsio
Atsaboaka: (tsaboaka) mt. at. (atsaboàhy): Enti-milaza izay zavatra atoraka na atsipy ao anaty rano. Ahitsio
Atsahatra: (tsahatra) mt at. (atsahàro): Ajanona. faranana tsy asiana tohiny intsony: A-tsaharo izany Tomba tsy mety fanaonao izan-v. Ahitsio
Atsaikona: (tsaikona) mt. at. (atsaikônY): Asaina mitsaikona. Ahitsio
Atsaingoka: (tsaingoka) mt. fit. (atsaingôhy): Entina mitsaingoka, manaikitra mitomboka amin'ny vava (vorona). Ahitsio
Atsaka: (tsaka) mt. at. (atsakào): Alentika, atrobaka ka misy feo manokana heno miaraka amin'izany. Ahitsio
Atsako: (tsako) mt, fit. (atsak8y): Entina mitsako: Aza ny nify anoloana foana no atsako ny hanina Ahitsio
Atsamaka: (tsamaka) mt. at. (atsamakao): Aiditra, atsofoka ao anaty... Ahitsio
Atsambikina: (tsambikina) mt. at. (atsambikino): Asaina mitsambikina. Ahitsio
Atsamontsamona: (tsamontsamona) mt. at. (atsamontaamony): Atao mitsefotsefotra ny molotra rehefa mihinana. Ahitsio
Atsananaka: (tsananaka) mt. at. (atsananàho): Aempo. Ahitsio
Atsangana: (tsangana) mt. at, (atsangano): Arenina amin' ny haavony, tsy avala han-dry: Atsangano io bari7ra io. 1 Aseho ka apetaka eny amin'ny arabe sy ny trano: Tsy maintsy atsangana ny saina rehefa tonga ny fetimpirenena 1 Aorina, ajoro: Antoko natsangan-dRavoahangy sy Raseta ary Rabemananjara ny M.D.R.M. Ahitsio
Atsany: (t. tr.) ppt. feh.: Dia ny, dieny mbola, Ahitsio
Atsapa: (tsapa) mt. fit. (atsapao): Entina hitsapana: Ny tehiny no atsapan'ny jamba ny manodidina Ahitsio
Atsapaka: (tsapaka) mt. at. (atsapàho): Enti-milaza ny zavatra aiditra na atrabaka. Ahitsio
Atsaraingona: (tsaraingona) mt. at. (atsaraingony): Asalovana, atsatsaingona. Ahitsio
Atsarapaka: (tsarapaka) nit at (atsarapaho): Azera na alatsaka na atosika tampoka tsy ampoizina ao anatin'ny... Ahitsio
Atsararaka: (tsararaka) mt. at, (atsararàho): (feo) Atao mikiririoka no sady farin:parina. Ahitsio