Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Famandravandra: (vandrauandra) a. : Fomba entina mamandravandra na mampivandravandra ny maso. Ahitsio
Famandravandrana: (uandrauandra) a. : Fijerena amin' ny maso feno fandrahonana sy fahatezerana. Ahitsio
Famandrihana: (fandrika) a. : Fakana amin'ny alalan'ny fandrika : Mora ny famandrihana ny lambo fa anoovano longoa mitoto-bozaka izy dia mianjera ao. ? Fividianana mialoha zavatra tsy mbola vita na zavamaniry tsy mbola azo hanina : Dimanfato ariary ny famandrihana an' io gazety io herintaona Ahitsio
Famandrotana: (fandrotra) a. : Famatorana singory. Ahitsio
Famangiana: (uangy) a. : Fitsidihana / fitsapana alahelo, fanaladiana. ? Vola entina mamangy : Ohatrinona ny famangiana hataontsika f Ahitsio
Famangitana: (fangitra) a. : Famaritana. Ahitsio
Famangitra: (fangitra) a.: Fomba entina mamangitra, mamaritra; famaritra. * Ohab. : Be famangitra toa rambon'osy : Be hambo loatra ka ny tsy ho vita avy no tetehina hatao. Ahitsio
Famango: (vango) a. : Fomba entina mamango, izany hoe mamely, mikapoka, na manesokesoka, mandrapadrapaka, na mifofotra miasa. ? p, t. : Azo vangoana. Ahitsio
Famangoana: (vango) a. : Famelezana, fikapohana / fanesokesohana, fandrapadrapahana, Ahitsio
Famangohana: (fangoka) a : Famandrihana, fanolikolena. Ahitsio
Famangotana: (fangotra) a. : Famadidirana, fanorongoronana. Ahitsio
Famangy: (vangy) a : Fomba entina mamangy. ? p, t.: Azo vangiana, tokony hovangiana. Ahitsio
Famaniana: (amany) a. : Ny organa ahafahana mamoaka ny fivalanandrano. ? Toerana fibalanan-drano. Ahitsio
Famankona: (oankona) a, : Fomba entina mamankona. ? p, t.: Azo vankonina. Ahitsio
Famankonana: (uankona) a. : Fanadiovana (ny hazo) ho tonga malamalama tsara amin'ny alalan'ny vankona. Ahitsio
Famantana: (vantana) a.:Fomba na toetran'ny zavatra mamantana na manitsy avy hatrany. Ahitsio
Famantanana: (avantana) a. : Fandehanana mahitsy mankany... fanitsiana, fahatongavana tsy mivilivily ( fandehanana tsy misy mitana. ? Toerana faleha avy hatrany : A-b> aminay no famantanan'i dadatoa isaky ny miakatra. Ahitsio
Famantarana: (fantatra) a.:Fanambarana : Azo lazaina fa famantarana ny afo ny setroka. ? Marika : Samy manisy famantarana ny ombiny ny mpiomPy any an'efitra. ? Filazana : Anaovy famantarana, toy ny tsangan'afo, izahay raha tonga ny fahavalo. Ahitsio
Famantaranandro: a. : Milina vita fomba ahalalana ny ora, ny minitra ary ny segondra amin'ny alalan'ny sahazanY roa (sahazabe sy sahazakely) izay mikisaka manondro tarehi-marika eo amin' ny tavany. Ahitsio
Famantaranandronakoho: a. : Tsilalaon'ankizy miendrika famantaranandro nefa tsy mandeha. Ahitsio