Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fambara: a. : Zavatra miseho mialoha ka entina mamantatra izay ho avy aoriana : A-lohan'ny hipoahan'ny afotroa, hono, dia misy fambara. 1 Filazana mialoha na ho soa na ho ratsy : Misy milaza fa ny sakanan-goaika dia fambara tsara. Ahitsio
Fambata: (bata) a. : Fomba entina mambata, manainga na mitondra zava-mavesatra : Toy izao no fambata io uata io. 1 p.t. : Azo bataina : Tsy fambata ny zavatra toy io. Ahitsio
Fambatana: (bata) a. : Fanaingana na fitondrana zava-mavesatra amin'ny tanana, (mitovY amin'ny fibatana). Ahitsio
Fambeda: (beda) a. : Fomba entina mambeda, izany hoe misambotra zavatra na olona ka mamihina azy ao anatin' ny sandry anankiroa mba tsY ho afa-mikofoka, ~ p.t. : A-zo bedaina. Ahitsio
Fambedana: Fanabedana, Fibedana (beda) a. : Fisamborana zavatra na olona izay fihinina ao anatin'ny sandry anankiroa mba tsy ho afamikofoka. Ahitsio
Fambitsihana: (bitsika) a : Filazana zavatra moramora eo akaikin'ny sofina mba tsy ho henon'ny hafa. Ahitsio
Fambobana: (bobo) a. : Fividianana mora dia mora. Ahitsio
Fambolena: (vols() a : Fampaniriana (amin'ny famafazana voa na fanatsatohana taho) : Aza mipetra-potsiny fa taom-pambolena izao. 1 Ireo voly ambolena : Nosim ban' ny ombinareo ny fambolenay, Ahitsio
Famboly: (vola) a. : Fomba entina mamboly Toy izao no famboly katsaka. ~ p.t. : A-zo ambolena : Haxo tsy famboly, hono, io fa mahafaty tanora. Ahitsio
Fambomba: (mbomba) a : Fomba entina mambomba. Ahitsio
Fambombana: (mbomba) a, Fandrakofana, fanaronana. Ahitsio
Fambonoka: (bonoka) a. : Fomba entina mambonoka, mandrakotra lamba mba hanafanana. 1 p,t. : Azo bonohina, azo rakofana mba hafana. Ahitsio
Fambosiana: (ambosy) a. : Fitarihana, fitaomana, famokisana. Ahitsio
Fambosibosehana: (bosibosika) a, : Fihinanana haingana ara be; fiosanosanana sy fandrapadrapahana ny sakafo eo am-pihinanana. Ahitsio
Fambosy: (ambosy) a. : Fomba entina mambosy na mamoky, mitaona, mitarika. ? p. t. : Azo ambosina. Ahitsio
Fambotriana: (botry) a. : Fanaovana izay hahabotry, hampahantra. Ahitsio
Famefehana: (fefika) a, : Fanaovana izay hahafefika, hahavaky : Anjaran'ny lehiben'ny sambo ny famefehana ny sambony mita hitanY fa tlaina. Ahitsio
Famefena: (fefy) a, : Fanasiana fefy, vala, zavatra miaro manodidina : Ny famefena na tanimboly ihany no tsy idiran'ny akoho sy na biby ho-fa ao. Ahitsio
Famehezana: (fehy) a : Famatorana. Ahitsio
Famela: (vela) a. : Fomba entina mamela. ? p.t. : Azo a-vela : Heloka tsy famela ny anao. Ahitsio