Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanaingoka: Fitsaingoka (tsaingoka) a. : Fomba entina manaingoka na mitsaingoka. Ahitsio
Fanaintaina: (taintoina) a. Toetran'ny tena manaintaina, mahatsiaro fanombotrombotana. Ahitsio
Fanaintainana: (taintaina) a. Fanombotrombotana. Ahitsio
Fanairana: (taitra) a. : Famohazana : Ataovy amin' ny enina ny fanairana ny ankizy mpianatra sao diso fidirana izy ireo. ~ Fampitahorana tampoka : Ny fanairanao azy tamin'iny biby iny no nankarary ny zanako. 1 Fanabatabana ny saina tampoka:Nandraiki-narary aho tamin'ny fanairanao ahy hoe narary mafy i dada. Ahitsio
Fanaitaizana: (taitay) a. : Fandodonana, fanafainganana. Ahitsio
Fanaitay: (taitay) a. : Fomba entina manaitay, mandodona. Ahitsio
Fanaitra: (taitra) a, : Fomba entina manaitra na mampitahotra tampoka. ? p.t. : Azo tairina : Tsy mba fanaitra ny olona beuohoka. Ahitsio
Fanaja: (haja) a. : Fomba entina manaja, manome voninahitra. 1 p,t. : Azo hajaina, tokony hohajaina : Fangia ny volo fotsy, rankizy. Ahitsio
Fanajadona: (jadona) a. : Fomba entina manajadona, manatsatoka. ?p.t. : Azo ajadona, ara atsatoka. Ahitsio
Fanajadonana: (jadona) a. : Fanatsatohana. Ahitsio
Fanajamba: (jamba) a. : Fomba entina manajamba, manao fzay tsy hahitana, mamotsitra maso; manampina ny ma-son' eritreritra. Ahitsio
Fanajambana: (jamba) a, : Fanaovana izay tsy hahitana; famotsirana maso; fanapenana ny mason' eritreritra. Ahitsio
Fanajana: (haja) a. : Fanomezana hala, voninahitra : Fanajona ny Razana no amadihana azy. ~ Fanaovana ho zavatra, fanasiana vidiny : Izao ve no fanajanao fotoana? Ahitsio
Fanajanona: Fanjanona (janona) a. : Fomba entina mampiato, tsy mamela hanohy, mamela, mametraka. Ahitsio
Fanajanonana: (janona) a. : Fampiatoana : Ity oe ny fanajanonana fiara? ~ Tsy famelana hanohy, famelana, fametrahana : Tsy maintsy a-tao ara-dalàna tsara ny fanajanonana mpiasa. Ahitsio
Fanajaradona: (jaradona) a. : Fomba entina manajaradona, mampijoro mahitsy. Ahitsio
Fanajaradonana: (jaradona) a. : Fampijoroana mahitsy. Ahitsio
Fanajariana: (hajary) a. : Fanamboarana; famitranana fihavanana ; fanajana. Ahitsio
Fanajaridina: (jaridina) a. . Fomba entina manajaridina, mamPijoro mahitsy tsara tsy mihetsika. Ahitsio
Fanajaridinana: (jaridina) a. : Fampijoroana mahitsy tsara tsy mihetsika. Ahitsio