Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hatrotro: a.: Ditiditin-kena avy amin'ny loha na ny tongotry ny omby. Ahitsio
Hatsahana: (hatsaka) mt. th. (hatsaho): Atao mitovy tantana, faranana: Mbola tokony hohatsahana ity tany eto ity fa misy mivohitra. Ahitsio
Hatsaka: a.: Fandidiana, famaranana tsy hisy romoromony; fanesorana ny tafahoatra na ny manan-tombo mba hampahitsy azy. - t.i.f,: Hatsahana, ahatsaka, voahatsaka f manatsaka, fanatsaka, mpanatsaka / anatsahana, fanatsahana / mihatsaka, fihatsaka jihatsahana, fihatsahana / mahahatsaka f h atsak atsak a. Ahitsio
Hatsakatsaka: ft.: Hafotsiana tanteraka. i t.t.f.: Mangatsakatsaka. Ahitsio
Hatsaraina: (tsara) mt. ih, (hatsarao): Atao tonna tsara: E-fa nohatsaraina ny lalana mankany aminay any ambaniuohitra. Ahitsio
Hatsarana: (tsara) a.: Toetran' ny olona na zavatra tsara, mahafinaritra jerena, na ambony, mendrika: Endre! ny hatsaran-tarehin'ity voninkaza! / Hatsaram-panahin'olona izany! Ahitsio
Hatsarana: (tsara) a.: Sikidy: Nanao hatsarana tao an'efitra Rainibozy no tratranay. Ahitsio
Hatsatra: a.: Malazo tonna vonivony toa manopy fotsy fa lany ra: Avy narary izy ka mbola hatsatra ny endriny. ¶ M.h.: Mivaloarika, mivolom-balalamaty, matroka, vasoka, malazo, maina, tsy marevaka, tsy misy renty. Ahitsio
Hatsiaka: a.: Tsy fisian-kafanana; hirifiry; nara. - t.i.f.: Mangatsiaka, fangatsiaka f angatsiahana, fangatsiahana / mampangatsiaka, ampangatsiahina f ampangatsiahana, fampangatsiahana J hatsiatsiaka 1 mangatsiatsiaka. Ahitsio
Hatsihina: (hatsika) mt, ih. (hatsiho): Antsoina amin' ny fihetsiky ny loha na ny tanana: Hatsiho fotsiny izy fa axa mikiakiaka 1 Fahanana (basy), vaikaina. Ahitsio
Hatsika: a.: Fiantsoana olona atao amin'ny fihetsiky ny ta-nana na ny loha mba hanatonany; famaikana ny fembasy. 1 Hatsihina, ahatsika, voahatsika J manatsika, fanatsika, mpanatsika / anatsihana, fanatsihana f mihatsika. Ahitsio
Hatsikana: a,: Zavatra atao hampihomehy, arira, kivazivazy, vosobosotra: Aza manao hatsikana eo ianao fa efa manevika aho izany. ? p.t.: Mpanao arira, kivazivazy mampihomehy: Zazalahy hatsikana - t.i.f.: Hatsikanina / manatsikana, fanatsikana, mpanatsikana / anatsikanana, fanatsikanana f mifanatsikana. Ahitsio
Hatsikana: a.: Karazan-kazo izay ampiasaina hampahamanitra ny toaka ny hodiny. (Xerochlamys pilosa), Ahitsio
Hatsikanina: (hatsikana) mt. ih. (hatsikano): Vazivazina, harabina, ihomehezana, fitahina. Ahitsio
Hatsivo: a.: Volotsangana na bararata kely fasiana vanja fanao faham-basY. - t.i.f.: Hatsivoina 1 manatsivo. Ahitsio
Hatsivoina: (hatsivo) mt. ih. (hatsivoy): Asiana vanja indray mamahana: Hatsivoy ny basY. Ahitsio
Hatso: Hatsohatso ft.: Hafotsy manjopiaka sy hadio manganohano. ~ H,o.: Lainga tsara afina. - t.i.f: Mangatsohatso.? F.-p.: Milaza hatsohatso: mamoron-dainga tsara lahatra mba ho tian'ny olona. Ahitsio
Hatsotso: a: Laingalainga mba hampihomehy: Fantatro ny hatsotsonao Rakoto a! 1 p.t.: Mpandaingalafnga mba hampihomehy, kapotsaka: Hatsotson'olona re izany. Ahitsio
Hatsy: a: Jer, Hantsy. Ahitsio
Havahotra: (vahotra) a: Tahotra tsy mahahetsika, fidagàga, fitanàka. Ahitsio