Litera J

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Joria: a: Karazan-tsikidy izay toy izao ny fametraka ny voa aminy; apetraka amin' ny laharana roa mifanao ambony sy ambany ny voa ao anaty kitranotrano valo valo avy. (Jar. Sikidy). Ahitsio
Jorijoriny: Jer. Tsoritsoriny. Ahitsio
Joriry: Jer. Jorory izay fampiasa kokoa. Ahitsio
Joro: a: Fitsanganana mitsatoka tsara. - t.i.f : Ajoro, voajoro, tafajoro / mijoro, fijoro, mpijoro ) ijoroana, fijoroana I mahajoro I jorojoro I mijorojoro. Ahitsio
Joro: a.: Fangataham-pitahiana eo am-panefana ny voady na-tao. it.if.: Mijoro. Ahitsio
Joro: a.: Anarana enti-milaza ny iray amin'ireo lalao karatra izay misy sarina efajoro mena. Ahitsio
Joro: p. t.: Saro-tahotra, sarokenatra, mihasihasy. Ahitsio
Joroaka: p. t.: Lava be sy maroroka: Haxo joroaka ny kininina. Ahitsio
Joroana: (joro) mt.pdr. (joroy): Asana zavatra mijoro, tsatohana: Joroana lefona eo antoko tan y. Ahitsio
Joroboka: Jer. Jaroboka izay fampiasa kokoa. Ahitsio
Jorofoa: Jar. Jirofo. Ahitsio
Jorory: p. t.: Kely sy madinika mezamezaka, manifinify. Ahitsio
jotso:fidinana, fihenàna: nijotso teo amin'ny seranana ny mpandeha rehefa nijanona ny fiara fitaterana Ahitsio
Joy: a.: Filatsahana tsy miato (erika, orana, ranomaso). i tif: Ajoy, tafajoy 1 mijoy, fijoy I ijoina, fijoina / mahajoy j joijoy / mijoijoy. Ahitsio
Jy: a.: Tadin-dokanga madinika dia madinika. I Li. f: Mijijijijy. Ahitsio