Kolefaka | : | Jer. Kolepaka.
Ahitsio |
Kolejy | : | (angl. collage) a: Tany aloha: 1) Fianarana ambony: Taona inona ianao no niditra tao amin'ny Kolejy? 2) Mpianatra amin'ny kolejy: Kolejy nahay zavatra Itompokolahy. ~ Ankehitriny: Trano fianarana misy ambaratonga faharoa ka hatramin'ny kilasy faharoa no ho miakatra. - Kolejy antitra: olona manam-p ahaizana igagana; olonamahery am-bava, basivava.
Ahitsio |
Kolelaka | : | a: Filana fitia amin' ny dokadoka; fiforetana mampiseho fahambaniana; solelaka. - t.i.f : Mikolelaka, fikolelaka, mpikolelaka / ikolelahana, fikolelahana / mahakolelaka / koleladelaka.
Ahitsio |
Kolepaka | : | p.t.: Mandringa tsy marim-pamindra, fohy na maratra ny tongotra ila ka ohatra ny taritina. - t.i.f.: Akolepaka, tafakolepaka ( mikolepaka, fikolepaka, mpikolepaka 1 ikolepahana, fikolepahana I mahakolepaka / kolepadepaka / mikolepadepaka.
Ahitsio |
Kôlerà | : | (fr. choléra) a.: Aretimifindra mandripaka, izay toy izao ny toetoetrany: mivalana matetika sady mandoa izay voany, ary hita mihamahia izaitsizy; ny hafanany midina ambanin'ny an' ny olona salama; ny loto sy ny fahavoretrana no mazàna mahatonga ny kolera izay saika matetika miaf ara amin' ny fahafatesana.
Ahitsio |
Koletaka | : | a: Fijanonana noho ny fahatrotrahana ka tsy mahatsangana.
Ahitsio |
Kolialia | : | p. t.: Tsy marin-doatra, fatra-pibolidy, m and osin dositra, mihodividivitra. - t.i.f.: Mikolialia, fikolialia, mpikolialia / ikolialiavana, fikolialiavana / mahakolialia.
Ahitsio |
Kolikolena | : | (kolikoly) mt ih. (kolikoleo): Tambatambazana tafahoatra, ngolingolena.
Ahitsio |
Kolitsaka | : | a: Bolisatra, bolasitra. - t.i.f.: Mikolitsaka.
Ahitsio |
kolo | : | karakara, kajy. Koloina : raisina andraikitra ny fikajiana (zavatra na olona). kolokoloina : fikarakaràna (zavatra na olona). mikolo. Ahitsio |
Kolodoy | : | p. t.: Enti-milaza zavamanfry betsaka sady mate-vina, mifanety, mikitroka.
Ahitsio |
Kolokolo | : | a.: Teny ilazana ny feon'ny vorontsiloza na enti-miantso ny vorontsiloza mihitsy koa. i f.: Kolokoloina, voakolokolo / mikolokolo, fikolokolo, mpikolokololikolokoloana, fikolokoloana / mahakolokolo.
Ahitsio |
Kolokolo | : | a: Tahom-bary ma. niry indray eo amin'ny fototra avy nijinjana, taho avy nanapahana vary mamoaka vary indray. - F.-p.:' Kolokolo dimbin' ny vary: enti-milaza ny taranaka izay misolo ny olona teo aloha, matetika ampiarabina amin'ny hoe "solofo dimbin'ny ala".
Ahitsio |
Kolokolo | : | a.: Fikarakarana a-tao amin'ny zavamaniry na biby na olona mbahisakanana azy tsy ho simba na harary - t.i.f.: Kolokoloina, voakolokolo / manakolokolo, manolokolo, fanolokolo, mpanolokolo / anolokoloana, fanolokoloana.
Ahitsio |
Kolokoloina | : | (kolokolo) mt. ih. (kolokoloy): Karakaraina, kaiakajaina, atao izay hahasoa azy.
Ahitsio |
Kolokoloina | : | (kolokolo) mt. ih. (ko lokoloy) : Antsoina amin' ny alalan'io teny io: Kolokoloy irer? uorontsiloza irer? fa lasa any anaty hazo.
Ahitsio |
Kololoka | : | p. t.: Kinga ary fetsifetsy; mailaka sady fangoloka.
Ahitsio |
Kololy | : | p. t.: Kitika, kely sy madinika.
Ahitsio |
Kolombianina | : | (fr. colombien) a: Ny firenena monina any amin'ny tanin'i Kolombia (Amerika atsimo): Metisy ny ankabiazan'ny Kolombianina. • p, t.: Momba an'i Kolombia, an'i Kolombia na avy any Kolombia: Volamena sy solitany no vokatra kolombianina be indrindra
Ahitsio |
Kolondoy | : | a.: Hiram-pivavahana.
Ahitsio |