Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kolefaka: Jer. Kolepaka. Ahitsio
Kolejy: (angl. collage) a: Tany aloha: 1) Fianarana ambony: Taona inona ianao no niditra tao amin'ny Kolejy? 2) Mpianatra amin'ny kolejy: Kolejy nahay zavatra Itompokolahy. ~ Ankehitriny: Trano fianarana misy ambaratonga faharoa ka hatramin'ny kilasy faharoa no ho miakatra. - Kolejy antitra: olona manam-p ahaizana igagana; olonamahery am-bava, basivava. Ahitsio
Kolelaka: a: Filana fitia amin' ny dokadoka; fiforetana mampiseho fahambaniana; solelaka. - t.i.f : Mikolelaka, fikolelaka, mpikolelaka / ikolelahana, fikolelahana / mahakolelaka / koleladelaka. Ahitsio
Kolepaka: p.t.: Mandringa tsy marim-pamindra, fohy na maratra ny tongotra ila ka ohatra ny taritina. - t.i.f.: Akolepaka, tafakolepaka ( mikolepaka, fikolepaka, mpikolepaka 1 ikolepahana, fikolepahana I mahakolepaka / kolepadepaka / mikolepadepaka. Ahitsio
Kôlerà: (fr. choléra) a.: Aretimifindra mandripaka, izay toy izao ny toetoetrany: mivalana matetika sady mandoa izay voany, ary hita mihamahia izaitsizy; ny hafanany midina ambanin'ny an' ny olona salama; ny loto sy ny fahavoretrana no mazàna mahatonga ny kolera izay saika matetika miaf ara amin' ny fahafatesana. Ahitsio
Koletaka: a: Fijanonana noho ny fahatrotrahana ka tsy mahatsangana. Ahitsio
Kolialia: p. t.: Tsy marin-doatra, fatra-pibolidy, m and osin dositra, mihodividivitra. - t.i.f.: Mikolialia, fikolialia, mpikolialia / ikolialiavana, fikolialiavana / mahakolialia. Ahitsio
Kolikolena: (kolikoly) mt ih. (kolikoleo): Tambatambazana tafahoatra, ngolingolena. Ahitsio
Kolitsaka: a: Bolisatra, bolasitra. - t.i.f.: Mikolitsaka. Ahitsio
kolo:karakara, kajy. Koloina : raisina andraikitra ny fikajiana (zavatra na olona). kolokoloina : fikarakaràna (zavatra na olona). mikolo. Ahitsio
Kolodoy: p. t.: Enti-milaza zavamanfry betsaka sady mate-vina, mifanety, mikitroka. Ahitsio
Kolokolo: a.: Teny ilazana ny feon'ny vorontsiloza na enti-miantso ny vorontsiloza mihitsy koa. i f.: Kolokoloina, voakolokolo / mikolokolo, fikolokolo, mpikolokololikolokoloana, fikolokoloana / mahakolokolo. Ahitsio
Kolokolo: a: Tahom-bary ma. niry indray eo amin'ny fototra avy nijinjana, taho avy nanapahana vary mamoaka vary indray. - F.-p.:' Kolokolo dimbin' ny vary: enti-milaza ny taranaka izay misolo ny olona teo aloha, matetika ampiarabina amin'ny hoe "solofo dimbin'ny ala". Ahitsio
Kolokolo: a.: Fikarakarana a-tao amin'ny zavamaniry na biby na olona mbahisakanana azy tsy ho simba na harary - t.i.f.: Kolokoloina, voakolokolo / manakolokolo, manolokolo, fanolokolo, mpanolokolo / anolokoloana, fanolokoloana. Ahitsio
Kolokoloina: (kolokolo) mt. ih. (kolokoloy): Karakaraina, kaiakajaina, atao izay hahasoa azy. Ahitsio
Kolokoloina: (kolokolo) mt. ih. (ko lokoloy) : Antsoina amin' ny alalan'io teny io: Kolokoloy irer? uorontsiloza irer? fa lasa any anaty hazo. Ahitsio
Kololoka: p. t.: Kinga ary fetsifetsy; mailaka sady fangoloka. Ahitsio
Kololy: p. t.: Kitika, kely sy madinika. Ahitsio
Kolombianina: (fr. colombien) a: Ny firenena monina any amin'ny tanin'i Kolombia (Amerika atsimo): Metisy ny ankabiazan'ny Kolombianina. • p, t.: Momba an'i Kolombia, an'i Kolombia na avy any Kolombia: Volamena sy solitany no vokatra kolombianina be indrindra Ahitsio
Kolondoy: a.: Hiram-pivavahana. Ahitsio