Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kapoaka: a: Hazo lehibe izay fakan'ny olona vohavoha mitovitovy amin'ny an'ny landihazo ny voany (Eridendron anfractuosum). Ahitsio
Kapoaka: a: Zinga kely famaram-bary: Ataovy eran'ny kapoaka ny vary harotsaka * h.i.: Fivelomana, fitadiavana, karama: Vary kapoaka a-ho raha miala amin'io asa io. * Kaopy fisotroana tsy misy tahony, ary misy volafotsy na volamena... * F.-p•: Kapoaka mangidy: fahoriana mafy mihatra. Ahitsio
Kapohina: (kapoka) mt.ih. (kapohy): Velezina amin-javatra mba halemy: Kapohina ny hod itra uao hamidy. ? Vonoina amin-tanana na zavatra: Ahitsio
Kapohina: ny zaza maditra. 1 Sazina, faizina: Kapohin'Andr'tamanitra ny ratsy fanahy. Ahitsio
Kapoka: a: Vono atao amin' ny tanana na zavatra (hazo, karavasy...) azera amin'ny olona. i tif: Kapohina, akapoka, voakapoka, kinapoka , taf akapoka / manakapoka, fanakapoka, mpanakapoka / anakapohana, fanakapohana / mikapoka, fikapoka, mpikapoka / ikapohana, fikapohana / miankapoka, fiankapoka, mpiankapoka / iankapohana, fiankapohana 1 mahakapoka. * F.-p.: Kapoka mirivirivy: famelezana sy famonoana mafy axy tsy tambo hisaina. / Kapoka omby: kapoka a-tao amin'ny omby, ary ilazana koa ny famelezana tsy misy fitandremana kely akory. / Kapo-tandrimo: enti-milaza ny famotorana izay misy fanontaniana tampoka mba hiaiken' ilay adinina sy hahalalana fa tena marina. Ahitsio
Kapoly: (Ats, Atd, Tsm) a.: Hazo madinidinika mahatratra 2 metatra sy sasany ny halavany, izay ahazoana ditiny mandronono fotsy mety mivaingana ary azo nifisana ho toy ny tady kely. Ahitsio
Kaporaly: (fr, caporal) a,: Ambaratongam - pahamboniana na gradin'ny miaramila antanety sy ana habakabaka eo anelanelan'ny Kaporaly-Sefo amboniny sy ny miaramila kilasy voalohany; mitovy laharana amin'ny Quartier-Martre faharoa amin'ny tafika an-dranomasina (fer, Grady). Ahitsio
Kaporaly-Sefo: (fr, caporal-chef) a,: Ambaratongam-pahamboniana na gradin'ny miaramila an-tanety sy ana habakabaka eo anelanelan' ny Serizà izay amboniny sy ny Kaporaly tsotra ambaniny; mitovy laharana amin'ny Quartier-Maftre kilasy voalohany amin'ny tafika andranomasina (jar. Grady). Ahitsio
Kapotsaka: p.t.: Mpandaingalafnga, fatsora, basivava tsy azo itokiana. Ahitsio
Kapy: (t.tr,) p.t: Mahia, manify kely, kapilany. Ahitsio
Kapy: (t.tr.) a: Teny enti-milaza olona azo babo, sambobelona ivelan'ny ady. Ahitsio
Kapy: sy Kapikapy a.: Hena mahia sady mafy. Ahitsio
Karabe: na Karaba a: Lakankely fampihinanam-borona na kisoa. Ahitsio
Karabina: (fr. carabine) a.: Karazam-basy fohy ary maivana. Ahitsio
Karabo: a: Karazam-bahy. Ahitsio
Karafa: (fr. carafe) a.: Tavoahangin-drano lava tenda. Ahitsio
Karafana: Jar. Harafana. Ahitsio
Karafoy: a: Anarana omena ny voan'ny jirofo, izay masiaka ny tsirony, manitra ny fofony, ampiasaina hatao fanafody, hakana lasantsy, hampahamanitra sakafo. Ahitsio
Karaha: (fit.-p.) ppk.: Tahaka, toy. Ahitsio
Karaingo: ft.: Enti-milaza ny toetran'ny rantsam-batana miforitra sy henjana mitambonkina noho ny aretina na raina nahazo. - t.i.f.: Mikaraingolflkaraingo / mahakaraingo. Ahitsio