Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kiloloka: a.: Tsotsbka maromaro natao tamin'ny volotsangana ka ahazoana feo iva rehefa lavalava kokoa ary feo avo rehefa fohy; ampifandimbiasina ny fomba fampiasa azy ka ahavitana ngodonkira fandihizana, na feonkira iray manontolo arakaraka ny habetsahan'ny isany. Ahitsio
Kilonga: (Btl) a: Zaza. Ahitsio
Kilonga: a: Anldzy efa tsy zazakely loatra intsony, nefa tsy mbola zatovo koa. Ahitsio
Kilongozy: Kolongozy a: Vato kilonjy vita toy ny kanety. Ahitsio
Kilonjy: a: Vato boribory malamalama fahita eny amoron-drano. Ahitsio
Kilosy: a.: Karazana lamban'ny Ntaolo, izay ny tenany landihazo fa ny fahany rongony. Ahitsio
Kily: na Madilo a.: Hazo lehibe sady be ravina misandrahaka, fahita amin'ny tapany atsimo sy andrefana, manome ny voa atao hoe voamadilo. Ahitsio
Kima: a: Taolan-tehezana farany amin'ny olombelona sy amin'ny biby. Ahitsio
Kimahatorolela: (Btl) a: Anarana ilazana ny voan'ny hazo atao hoe ampalibe. Ahitsio
Kimalao: a: Anarana ilazana ny akondro any amin'ny Tanala. Ahitsio
Kimanga: (Ski) a: Karazan-kazo malaza ho misy poizina mahery ny tenany manontolo, na ny tahony na ny raviny na ny voany (Erythriphlaeum couminga H). Ahitsio
Kimany: a: Ny faritra ambany somary mivohitra amin'ny rangomaina. Ahitsio
Kimavo: (Btl) a: Hatim-pisaka mamovoka manerana ny tena. ? (Mer) Aretina, farasisa mampangavoka ny hoditra. Ahitsio
Kimbalimbaly: a: Kodiadia, kodingodingo. i tif f : Mikimbalimbaly, fikimbalimbaly. Ahitsio
Kimbalombalo: a: Ny taolana sosony anatiny amin'ny tandrok'omby. Ahitsio
Kimbao: (Ski) a: Tahon-dravin-tsatrana. Ahitsio
Kimbato: (kina - vato) a: Fihenahenana, kiry tsy mety miteny na tsy mamaly. - t.i.f : Mikimbato, fikimbato, mpikimbato 1 mahakimbato. Ahitsio
Kimboloa: Jer. Tsipetrika. Ahitsio
Kimedameda: p.t.: Tsy maka mahery ary tsy rototra firy, mitaredretra, mirerarera. Ahitsio
Kimitse: (Ski) a: Karazam-borona madinika tahaka ny tsintsina. Ahitsio