Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Koaintsy: na Kontsy (fr. coing) a: Hazo fihinam-boamitovitovy amin'ny paoma ny voany fa hafa ny tsirony, somary handatrandatra Ahitsio
Koanefa: Mitovy amin'ny Kanefa. Ahitsio
Koara: (fr. quart): Pake na fehezan-javatra misy 25 tsirairay ao anatiny: Valopy iray koara. Ahitsio
Koay: p.t.: Antitra dia antitra, be taon izaitsizy. Ahitsio
Koba: a.: Vary voatoto malemy dia malemy: Mbola koba ihany no hanin'io marary io. ? Mofo vita amin'izany totom-bary izany: Tiako ny mofo koba misy uoanjo. ? h. i.: Dity atao amin'ny totombary. ? h.o. sy p. t.: Tsy afapanadinana: Koba Rakoto tamin'ny fanadinana ka nampalahelo. i t i. f : Kobama / manakoba, fanakoba, mpanakoba 1 anakobana, fanakobana 1 mabakoba 1 kobakoba. Ahitsio
Kobaba: a: Fikotabana noho ny hatairana. - t.i.f: Kobabaina,voakobaba /mikobaba, fikobaba, mpikobaba 1 ikobabana, fikobabana 1 mahakobaba 1 kobabababa. Ahitsio
Kobabahina: (kobabaka) mt. ih. (kobabaho): Atao maika dia maika. Ahitsio
Kobabaina: (kobaka) mt. ih. (kobabao): Atao maimaika, , mehina, dodonana, rotorotoina: Aoka hilamina fa aza kobabaina ny raharaha Ahitsio
Kobabaka: a.: Fimenomenonana sy fikotabana noho ny fahavoazana nihatra tamin'ny tena. ? Fampisehoana hadodonana ho fanajana sy fitiavana. & tif: Kobabahina 1 mikobabaka, fikobabaka, mpikobabaka 1 ikobabahana, fikobabahana. Ahitsio
Kobahina: (kobaka) mt ih. (kobahy): (rano) Hetsiketsehina toy ny rano ery an-tanim-bary mba hitovy tantana. Ahitsio
Kobaina: (koba) mt. ih. (kobay): Atao mohaka malemy dia malemy; atao tsy afaka: Nokobain'iny mpampianatra iny aho. Ahitsio
Kobaka: a: Fanetsiketsehana rano na zavatra ao anaty rano. ? h. i.: Fanasokana ny lamba na zavatra hafa ao anaty rano mba hanadiovana azy. i tif: Kobahina, akobaka, voakobaka 1 manakobaka, fanakobaka, mpanhkobaka / anakobahana, fanakobahana 1 mikobaka, fikobaka, mpikobaka 1 ikobahana, fikobahana 1 mahakobaka / kobakobaka. - F-p.: Kobaka am-bava, volana hatenda: teny foana lazain'ny vava ary fampanantenana hatreo an-tenda ka tsy misy tanteraka. Ahitsio
Kobana: a: Fihetsehan'ny rano indray efa nandry nilamina tsaxa; fahalalahana amin'ny akanjo; fihontsanana amin' ny atody; fanatsobohana ny lamba sasana ao anaty rano madio rehefa avy voakosoka. 6 t,tf.: Kobanina, akobana, voakobana, kinobana 1 manakobana, fanakobana, mpanakobana 1 anakobanana, f anakobanana 1 mikobana, fikobana, mpikobana / ikobanana, fikobanana 1 mahakobana 1 kobankobana. Ahitsio
Kobanina: (kobana) mt ih. (kobano): Atsikebona ka miloatra daholo ny loto ao aminy: Nokobanin'ny ankizy ny rano tao am-pantsakana ka na-loto. ? Hetsiketsehina: Kobany ao anaty barika ny rano hanasana azy. ? Ahontsankontsana: Kobano ny fanafody alohan'ny hisotroana azy. ? (lamba sasana) Atsoboka ao anaty rano madio mba hanala ny ranon-tsavony: Kobanina ny lamba rehefa uita ny fikosehana azy. Ahitsio
Kobany: a: Ny anatiny, ny a-ne v anev any ; ny elanelany, ny afovoany: Ravao ity tamboho it? fa mivohitra ny koban y. - F-p.: An-koban'andro: ny andro elanelan'ny alahady roa, ny andro andavanandro fiasana. / An-kobany: teny enti-milaza ny miaramila rehetra afa-tsy ny rainiolona (ny mpandefa tafondro) sy ny mpiambina. Ahitsio
Kobay: a: Karazam-pery vokatry ny mikraoby azo amin' ny fahalotoam-pitondran-tena. (Toa mamorofotra kely foana no fisehoan'ny kobay voalohany, dia mandroso ihany ka manjary toy ny hatina, izay potsitra dia tonga fery). Ahitsio
Kobila: a: Fivilanana, tsy fahitsiana, fiforiporetana. i ti f : Kobilaina, akobila, voakobila, tafakobila 1 manakobila , fanakobila, mpenakobila 1 anakobilana, fanakobilana 1 mikobila, fikobila, mpikobila 1 ikobilana, fikobilana 1 mahakobila 1 kobilabila. Ahitsio
Kobilaina: (kobila) mt. ih. (kobtilao): Voaforiporitra, voavilavila, voaviravira: Nokobilain'ny ankizy ny satrok'ilay namany. ? Levilevena tsy itondrana roa: Kobilain'ny mpampiasa azy isan'andro ixao Rakoto. ? Roridroritina, saritahina: Nokobrlain'izy rehetra aho. Ahitsio
Kobo: Kobony a: Atiny malemy amin'ny voatavo. Ahitsio
Kobobo: Jer. Kibobo. Ahitsio