Litera L

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lagitara: (fr. la guitare) a: Tsy fiteny intsony fa Gitara no ampiasaina ankehitriny. Ahitsio
Lagoromety: (fr. la gourmette) a: Rojovy kely mipetaka amin'ny sakam-bavan-tsoavaly an-daniny roa avy izay mandalo ao ambanin'ny valananondranony ambany. Ahitsio
Lagozy: (fr. la gouge) a.: Famoalaka, fandraka korongo. Ahitsio
lagy:(Teninjatovo) Tezitra Ahitsio
Laha: (Btl) ppt feh.: Raha. Ahitsio
Lahaly: (Btm) p. mt,: Halina, tamin'ny alina tao. Akory lahaly: teny fiarahaban'ny Betsimisaraka, izay azo adika hoe: Nanao akory, nanao ahoana halina7 Ahitsio
Lahapahitra: a.: Lahateny mirindranndra tsara nefa tsy dia misy hevitra mafonja firy fa toa atao amin'izay hahafinaritra fotsiny. Ahitsio
Laharana: (lahatra) mt. ih. (la-haro): Asiana olona na zavatra milahatra: Laharana mpianatra manoloana ny sekoly. 1 a: Andalana: Laharana fahatelo auy aty an-kaoia no misy azy. Ahitsio
Lahasa: a.: Asa, raharaha: Mizara lahasa amin'ny mpiasa 1 Zavatra atao, taozavatra: Atombohy ny lahasanareo fa aza laozanareo miresaka eo. 1 Asam-pambolena: Ny vadi-bainga no anisan'ny lahasa mafy amin'ny fambolena / (teny tranainy) Loko manjamanja. Ahitsio
Lahasaina: (lahasa) mt. ih. (lahasao): Asaina, karakaraina: Ity tany sombiny kely ity ihany no holahasainareo anio. Ahitsio
Lahatra: a.: Fitohitohizan-javatra na olona manaraka fitsipika iray; fametrahan-javatra na olona mihitsy tomandavana: Tsara lahatra ny boky eto ambony latabatra izany. / Ahitsio
Lahiaivo: a.: Ny zanakalahy faharoa amin'ny lahy, na ny zanakalahy rehetra eo anelanelan'ny voalohany sy ny farany. Ahitsio
Lahiantitra: a: Ny lehilahy be taona, antitra;antidahy. Ahitsio
Lahika: (fr. laïc) a.: Anarana enti-milaza ny kristianina taotra tsy pretra na relijiozy. Ahitsio
Lahilahina: (lahilahy) mi-. ih. (lahilahio): Tsofin-drano, rarina ho soa ho tsara (fanao amin'ny famoran-jaza). Ahitsio
Lahilahy: p.t.: Teny faniriantsoa atao amin'ny zaza fora-na mba ho salama tsara, ary tsy ho kanosa na mikovavivavy. • Sady sahisahy no kingakinga. Ahitsio
Lahilava: (t.tr.) a.: Lalao mitanjojotra mingadongadona. Ahitsio
Lahiloha: a: Omby vositra ne-fa miendrika ombalahy. ? Enti-milaza olona lahilahy loha. Ahitsio
Lahimaro: a.: Enti-milaza ny lehilahy rehetra ao amin'ny foko na fianakaviana fraya. 1 Tahon-ketsa maro ambolena amin'ny lavaka iray. Ahitsio
Lahimatoa: a: Ny zanakalahy° voalohany amin'ny lahy. Ahitsio