Neny | : | a.: Teny fiantsoana ny reny niteraka, na miteny azy: Nankany an-tsena i neny, na miteny aminy: Andeha hankaiza ianao, ry neny? ? hi.: Teny enti-manaja ny vehivavy efa lehibebe tokotokony ho renin'ny tena. Teny nakambana: nenibe, nenifara, nenitoa (jer. ireo teny ireo). * Fiten.: Ny voamena zaton' i dada, ny sotro rano tsy tian'i neny: enti-milaza ny fahasahiranana mafy nentin' ny ray sy ny reny amin'ny famelomana, fikarakarana ny zanaka eo amin'ny taona mbola maha-kely azy indrindra.
Ahitsio |
Ngadona | : | a.: Feon'ny fanoto midoboka ao anaty laona, na ny tongotra mipaika amin' ny tany rehefa mandeha mafy. ? Fahatongavana. * fi, f.: Ngadonina, angadona, voangadona, tafangadona 1 mangadona na manangadona, fangadona na fanangadona, mpangadona na mpanangadona / angadonana na anangadonana / fangadonana na fanangadonana I mingadona, fingadona, mpingadona / angadonana, fingadonana / mahangadona I ngadongadona.
Ahitsio |
Ngadona | : | Ngadona dia fiovaovan' ny feo hoentina miantsa tononkalo iray araky ny fihetseham-po ny mpanoratra Ahitsio |
Ngadonina | : | (ngadona) mt. ih. (ngadony): Totoina: Nongadoniny mafy ny uary ka torotoro. ? Pehina, velezina amin'ny tongotra: Axa ngadonina toy izany ny rihana sao miletsy.
Ahitsio |
Ngaha | : | p. mt.: Entina manontany miharo fisalasalana kely: Ngaha hadinonao ny hafatro taminao? ¶ M. h. : Angaha.
Ahitsio |
Ngahy | : | a.: Mitovy amin'ny Ingahy.
Ahitsio |
Ngaly | : | p. t.: Mainty mangirangirana; maizina tanteraka. Ngalingaly: mainty manganohano, maizimaizina.
Ahitsio |
Ngamba | : | p. mt.: Entina milaza fisalasalana amin'ny valinteny; tsy manaiky na mandà fa miroaroa saina. ¶ M.h.: Angamba.
Ahitsio |
Nganja | : | p. mt.: Fihasimban'ny hoe' Angamba ihany, ary mbola misy endriny hafa: nginamba, nginanja, nginao.
Ahitsio |
Ngaosina | : | mt. ih.: Mitovy amin' ny Indaosina.
Ahitsio |
Ngara | : | p.t.: Volondavenona manopy manga, mara mainty (tsy fiteny afa-tsy amin' ny maso ihany): Ngara maso. • t.i.f.: Hangara, fahangara.
Ahitsio |
Ngarangidina | : | p. nit: Enti-milaza fotoana iray maharitra manontolo: Herinandro nga- rangidina izy tsy nanendry hanina. ¶ M.h.: Tontolo, maninjitra, mipaka, maninjihinjy.
Ahitsio |
Ngavoka | : | p. t.: Jer. Mavoka.
Ahitsio |
Ngazana | : | p. t.: Enti-milaza tany maina karakaina ka tsy anirian-javamaniry. 1 h. i.: Tany — tanety na toerana tsy ahitan-tsakafo. - t.i.f.: Hangazana.
Ahitsio |
Ngedona | : | p.t.: Maloto, mainty (akanjo). - t.i.f.: Ngedonina / manangedona, fanangedona, mpanangedona / anangedonana, fanangedonana 1 mahangedona I ngedongedona.
Ahitsio |
Ngedonina | : | (ngedona) mt. ih. (ngedony): Lotoina.
Ahitsio |
Ngelingely | : | p.t.: Mitovy amin' ny Angelingely.
Ahitsio |
Ngenja | : | p. mt.: Jer. Ngamba.
Ahitsio |
Ngenongenona | : | a.: Menomen,ona, teny an'orona, ngonongonona noho ny tsy fahafaliana, tsy fahafaham-po. - t.i.f.: Ngenongenonina, tafangenongenona / mingenongenona, fingenongenona, mpingenongenona / ingenongenonana, fingenongenonana / mahangenongenona.
Ahitsio |
Ngenongenonina | : | (ngenongenona) mt. ih. (ngenongenbny): llazana ny olona izay imenomenonana na izay teny fluai-na an'orona amin'ny fimenomenonana: Aza izaho no ngenongenonina eo. / Inona indray izany ngenongenonin' i Bozy izany.
Ahitsio |