Pika | : | a.: Fipitsile-javatra miala amin'ny toerana misy azy, ka misy feo kely miaraka amin'izany; fampifantsitsirana; fandosirana. - t.i.f.: Pihina, apika, voapika, tafapika / mamika, manapika, fanapika, mpanapika j anapihana, fanapihana j mipika, fipika, mpipika / ipihana, fipihana / mahapika / pipika / mamipika j mipipiha / mamipika. - F.-p.: Pik'afo: tselatr'afo. l Pik'ampela: ny fanosehana feno hakingana ny ampela famolesana alohan'ny hampandihizana azY. / Tsy misy rano piny akory eo an-tsinibe: enti-milaza fa tsy misy rano na dia kely akory aza ao an-tsinibe.
Ahitsio |
Pika | : | a.: Karazam-boninkazo izay madinika maro loko mahafinaritra mitambatambatra ny felany.
Ahitsio |
Pikany | : | (t. tr.) a.: Vodin-javamaniry izay nambolena ka vao niitaran'ny sisa.
Ahitsio |
Pike | : | (Ski) a.: Karazan-tsakamalao tsara fofona fihosotry ny vehivavy sakalava.
Ahitsio |
Pike | : | (Ski) a.: Tady mifatotra amin'ny laveroka ka marnaky ny laim-botry sady mifatotra koa amin'ny take.
Ahitsio |
Pila | : | (fr, pile) a,: Fitehirizana aratra, avy amin'ny fitambaran-javatra miteraka angovo simika lzay miova ho angovo elektrika ka ampiasaina amin' ny 7iro na radio fitondra mandeha; misy pila fisaka ary misy pila boribory ; vataaratra.
Ahitsio |
Pilaka | : | na Pilapilakap.t.: Jejojejo mba hanaitra ny mason' ny lehilahy. - t.i.f.: Apilapilaka / mipilapilaka, fipilapilaka, mpipilapilaka / ipilapilahana, fipilapilahana ( mahapilaka na mahapilapilaka / mitsipilaka. ΒΆ M.h.: Jejo, jefy, jila.
Ahitsio |
Pilampilana | : | p.t.: Mitovy amin' ny Pilapilaka.
Ahitsio |
Pilao | : | (fr. plomb) a: Tady kely misy vongam-pira-mainty izay entina manamarina ny fahitsian'ny rindrina tsy vilana na mivohitra.
Ahitsio |
Pilatse | : | (Ski) a,: Antsamotady.
Ahitsio |
Piliavava | : | a.: Fanaovana tsy anjery mikararana ka indraindray tsy heverina akory izay lazaina.
Ahitsio |
Pilimo | : | (fr. plume) a.: Teny enti-milaza ny lelam-penina sy ny tahony miaraka.
Ahitsio |
Pilina | : | (angl. pill) Fanafody miendri-boananana kely na-tao hatelina avy hatrany. Pilin-kankana: pilina ody kankana.
Ahitsio |
Piliolitse | : | (Ski) p.t.: Enti-milaza ny zavatra na feo kely mi-la tsy ho hitan'ny maso na ho ren'ny sofina, bilitika.
Ahitsio |
Pilipily | : | (Ski) a.: Sakay.
Ahitsio |
Pilo | : | a.: Sakay mena.
Ahitsio |
Pilopilo | : | (fit.-p.) a.: Voantsiperifery, dipoavatra.
Ahitsio |
Pilopilo | : | p.t.: Marani-doha. ? I-lazana koa ny loha mihefikefika mampiseho hajejoana, na ny loham-bibilava misosososo sy mitrangatranga le-la. - t.i.f.: Apilopilo / mipilopilo.
Ahitsio |
Pilotra | : | (fit.-p.) a.: Anaran-kata iantsoana ny antsamotady.
Ahitsio |
Pilotse | : | (Ski) a.: Enti-milazany salaka sady kely no fohy.
Ahitsio |