Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ribika: a.: Fitana rano, fitsobohana rano der. Roboka). i t.i.f: Miribika. - F.-p.: Ribik'ondry: fitana miara-be toy ny ondry. • h. o: Fiarahana mandeha na manao zavatra indray miaraka. Ahitsio
Ridana: mt.: Lasa, mandositra haingana sy mafy, ka miarabe amin'izany: Iray no uoa tamin'ireo uorona, nefa dia ridana daholo izy rehetra. - t.i.f.: Axidana, voaridana. tafaridana / mandxidana, fandridana, mpandrldana / andridanana, fandridanana / miridana, firidana, mpiridana / iridanana, firidanana / maharidana / ridandxidana / miboridana. Ahitsio
Ridiridina: (ridiridy) rait. ih. (ridiridio): Henjanina. Ahitsio
Ridiridy: a.: Fihenjanana, fihinjirana tsy miketraka. ? Fijoroana. - t.i.f.: Aridiridy, ridiridina, voaridiridy, tafaridiridy I miridiridy, fkidiridy, mpiridiridy / iridiridiana, firidkidiana / maharidiridy. Ahitsio
Ridra: a.: Takela-by mihetsiketsika ka mamoaka feo marnpaneno ny zavamaneno sasany, toy ny klarinety. Ahitsio
Ridralava: p.t.: Miverimberina tsy misy fiovany, fa toy ny teo ihany: Mahasosotra izany hira ridralava izany fa ajanony. Ahitsio
Rifatina: (rifatra) mt. ih. (rifato): Enjehina. rahonana. Ahitsio
Rifatra: mt.: Vaky mandositra miara-be, miezaka lasa: Vao nahita ny mpampianatra azy ireo ny ankizy, dia rifatra. - t.i.f.: Rifatina, arifatra, voarifatra / tafarifatra / mandrifatra, fandrifatra, mpandrifatra / andrifatana, fandrifatana / mirifatra, firifatra, mpirifatra / irifatana, firifatana / maharifatra / rifadrifatra. Ahitsio
Rigby: (fr. rugby) a.: Lalao fanatanjahan-tena karazana foty, saingy azo lalaovina amin' ny tanana sy ny tongotra ary baolina lavalava no ampiasaina aminy. Ny mpilalao rigby-16 na 13 an-daniny avy — dia mifaninana ny hitondra an-tanana ny baolina ka manindry azy ambadiky ny tsipika mamaritra ny tanin'ny an-kilany, na manda-ka azy handalo ambonin'ny tsatokazony. Ahitsio
Rihana: a.: Ny ambaratonga ambonyrehetra amin'ny trano: Any amin'ny rihana faharoa izahay no mipetraka. ? Ny ngorodona. - t.i.f.: Rihanina, voarihana / mirihana, firihana / rihandxihana. Ahitsio
Rihanina: (rihana) rat. ih. (rihano): Enti-milaza ny rihana asiana ngorodona. Ahitsio
Rihitra: a.: Tany leman-drano ametahana biriky sy ikambanany mafy tsara: Ny mpanao rihitra no manampy ny mpandrafi-biriky. • Ny maditidity amin'ny ranon-javatra: Tiako ny rihi-boangahazo. - t.i.f.: Marihitra / marihidrihitra / harihitra, faharihitra. Ahitsio
Rija: a.: Hira atao miaraka amin'ny dihy 'mitoto tany fanaon'ny Betsileo. Ahitsio
Rijarija: a.: Haavo na tsanganana maradona tsars, rajaraja. i t.i.f.: Mirijarija, firijarija. Ahitsio
Rijo: ft.: Niavian'ny hoe Marijo. Ahitsio
Rika: sy Rikany a.: Hazo boribory atao ao ambanin'ny rambaramba rehefa mitaribato: Mikodia ny rikany, dia mizotra ny rambaramba ipetrahan'ny uata. - t.i.f.: Rikaina, arika, voarika, tafarika 1 mandrika, fandrika, mpandrika / andrikana, fandrikana 1 maharika, rikarika / voarikany, tafarikany / mandrikany, fandrikany, mpandrikany. Ahitsio
Rikaina: (rika) mt. ih. (rikao): Rlr Asiana rikany: Rikao ity rambaramba ity hitondrana uato. Ahitsio
Rikarika: a.: Taolana miranirany. Ahitsio
Rikiriky: a.: Fomban-drandrambolo fohy sady tsy misy filaharany. Ahitsio
Rikoriko: a.: Halotoana; hasosorana noho ny tsy fitiavana, tsy fankasitrahana mahatonga ho sorena, maloiloy. - t.i.f.: Rikorikoina / mkikoriko, firikoriko, mpirikodko / maharikoriko, fahgrikoriko / harikoriko / harikorikoana, faharikorikoana. ¶ M.h.: Dikidiky. Ahitsio