Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Raiboboka: a: Poizina avy amin'ny zavamaniry ataon'ny Sakalava amin'ny tendron' ny lefona ka izay voan'ny lefona misy azy io mfzihitra ny kibony dia maty. • h.o.: Zava-dratsy mampidi-doza: Raiboboka manimba firenena ny fifankahalana ara-poko. Ahitsio
Raiheka: o.: Karazan-kazo fanao trano, atao koa hoe famelona. Ahitsio
Raika: a.: Rona. - t.i.f.: Araika, voaraika, tafaxaika 1 mandraika, fandraika, mpandraika / andraihana, fandraihana / mifandraika 1 miraika, firaika, mpiraika / iraihana, firaihana, iraikana, firaikana / maharaika / raikaraika / mifandraika. Ahitsio
Raika: p.i.: Jar. Iraika. Ahitsio
Raikabaoty: (angl. right about) a,: Baiko-miaramila izay andidiana ny miaramila hampitambotsotra ny tongotra havanana ka hitodika miankavia. Ahitsio
Raiketa: na Raiketra a.: Karazan-tsilo fanaon'ny olona fefin-tokontany sy vala; noho ny raviny matevina sy be rano, dia izy no ataon'ny olona sakafon'ny biby — na fanaon'ny olona sakafo koa aza — any amin'ny tany kely ranonorana ka tsy misy voly maniry: Nankaiza ny olontety? no rindrina sisa mijord / ny tafo nikipaka iray, ny rihana sy andry nikoro; / raiketa sy ambiaty ary se-va no sisa miandry tanàna. (Dox), Ahitsio
Raiketana: (raikitra) mt. pdr. (raiketo): Ametahana: Tsy azo raiketana taratasy ity rindrina ity fa malamalama. Ahitsio
Raikipohy: a: Fanafohezana amin'ny teny fohy na hentitra ny andinindinin'ny fikajiana halavana... oh. ny halavan'ny manodidina ny faribolana dia voalazan'ny raikipohy amin'ny teny frantsay hoe 27fR. Ahitsio
Raikiraiky: a.: Fiherikerehana sy fitahontahonana; fahadaladalana sy fivarimbarianana amin'izay rehetra hita. - t.i.f.: Araikiraiky, voaraikiraiky, tafaraikiraiky I mandraikiraiky, fandxaikixaiky, mpandxaikiraiky 1 andraikfxaikena, fandraikiraikena / miraikixaiky, firaikiraiky, mpiraikfraiky 1 iraikiraikena, firaikiraikena / mitaraikiraiky. Ahitsio
Raikitelo: a.: Lalan-kevitra entina mikajy halavana, isa, vidin-javatra, miainga avy amin-javatra roa efa fantatra. Oh. Ariary 24 no vidin'ny temitra 3m; ohatrinona no vidin'ny temitra 14m? Ahitsio
Raikitra: p.t.: Mipetaka: Efa raikitra amin'ny rindrina ny temitra ka sarotra alana. • Vita, tapakarehefa nodinihina sy nifénarahana: Raikitra izany ny varotra ka omeo ny vodiondrim-barotra. ? Tsy miova: Miuory amin'ny andro raikitra. 1 h.o.: Miady: Raikitra tsy satry ohatra ny ombalahy mifanena ankaterena (ohab.). - t.i.f.: Raiketana, araikitra, voaraikitra, tafaraikitra J mandraikitra, fandraikitra, mpandraikitra / andraiketana, fandraiketana / miraikitra, firaikitra, mpiraikitra / iraiketana, firaiketana j maharaikitra / raikidraikitra. - F.-p.: Raiki-molaly: feno na rakotra molaly. 1 h.o.: antitra, efa tranainy be. / Raiki-paka: 1) latsa-paka, miorim-paka; 2) enti-milaza vehivavy maro anaka; 3) enti-milaza aretina tsy azo sitranina, latsa-paka. / Raikipitia: tia fatratra, adalam-pitia amin'ny olona iray, lefaka. J Raiki-tahotra: azon'ny tahotra sy ny horohoro mafy. / Raiki-tampisaka: ilazana ireo olona mahia tsy mahazo aina fa kaozatra eny mandrakariva; enti-milaza koa toetra na aretina tsy a- faka amin'ny olona iray intsony. / Raiki-trosa: ananan' olona trosa be. / Raikitra ady: rafitra mifamely, mifandray. / Raikitra aretina: nahazo aretina na tonga voan'ny aretina noho ny tahotra, hatairana..: / Raihitra hatsiaha: mahatsiaro mangatsiaka mafy. / Raikitra ny uarotra: vita fifanarahana ny varotra. I Fary raiki-bololona: fary mbola miaraka amin'ny tendrony misy ny raviny sy ny vololon-draviny ka entina amin'ny famorana sy ny alavolonjaza ary ifandrombahan'ny vehivavy maniry hiteraka. * Ohab.: Mandalo dia raikitra ohatra ny tsipolitra antitra: enti-milaza ny olona mora tia sy revorevo foana, na amin'ny fitiavana na amin' ny zavatra hafa. / Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihauanana: enti-milaza fa tsy simba akory ny fihavanana na dia tsy mifanaraka aza ny varotra ifanaovana (maneho ny fitandroan'ny ntaolo ny fihavanana manoatra noho ny raharaham-bola; ampif andraiso: "Aleo very tsikalankalam-bola toy izay very tsikalankalam-pihavanana"). Varotry ny manano tena ka raikitra vao tora-houitra: enti-milaza ny ahiahy aorian' ny fanapahan-kevitra iray izay noraisina. ¶ M.h.: Tapaka, tarangana, vita, mandry mitsilany, man-dry ivohon'ny vato, maty paika, vonobaibona, angarangidina, finari-bava. Ahitsio
Raikona: a.: Fofon-javatra may. ? F.-p.: Maimbo raikona: enti-milaza toerana andrenesana fofon-javatra may. Ahitsio
Railovy: a.: Karazam-boron-kely sady tsara feo no tsara tarehy fa misy sangany misandrahaka ohatra ny fikopaka eo ambony lohany ka nahatonga ny olona hanome azy ny anarana hoe andriamborona. Ahitsio
Rainazy: p.t.: Enti-milaza olona morainy, manaraka ambokony izay lazaina azy, ka izay asaina ataony, ataony, ary izay angatahina aminy, omeny. • F.-p.: Manao rainazy: manan-toetra morainy loatra, olom-be, tsy mihevitra loatra ny tena adidy, mandefitra na mampihafy ny tokony hatao. Ahitsio
Raindahiny: p.t.: Enti-milaza olona kalazalahy amin'ny zavatra iray. ¶ M.h.: Maintimolaly, ela nihetezana, za-draharaha, me-na vazana, main-dambana, kalazalahy, sifotra antitra, ombalahy be vozona, zanak' omby tsy ampianarin-domano, ampingaloha, goaika an-titra. Ahitsio
Raingena: (raingy) mt. ih, (raingeo): Ahodina mba hiteraka afo. • Terena hanome zavatra. ? Loahana. Ahitsio
Raingetina: (raingitra) mt. ih. (raingeto): Entina, rongotina. Ahitsio
Raingiraingy: a.: Fivembena, fivezimbezena. Ahitsio
Raingitra: a. (Tsy fampiasa firy): Fitondrana zavajavatra tsy dia misy hilana azy loatra. (jer. Rongotra). - t.i.f.: Raingetina, araingitra, voaraingitra / miraingitra, firaingitra, mpiraingitra / iraingetana, firaingetana / maharaingitra / raingidraingitra. Ahitsio
Raingy: a.: Hazo ahodinkodina haingana eo amin'ny lempona kely amin'ny hazo hafa iray mba hiteraka afo. 1 tao.: Fanerena, famoritana. - t.i.f.: Raingena, araingy, voaraingy / mandraingy, fandraingy, mpandraingy I andraingena, fandraingena / miraingy / maharaingy / raingiraingy / araingiraingy, voaraingiraingy, tafaraingiraingy / mandraingiraingy, fandraingiraingy, mpandraingiraingy / rniYaingixaingy, firaingiraingy, mpiraingiraingy / andraingiraingen, fandraingiraingena. Ahitsio