Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tangongoana: na Tangongoina (tangongo) mt. ih. (tangon-goy): Hodidinin'olona na zavatra betsaka. Ahitsio
Tangontsotrobe: na Fonombimainty a.: Anaran-karatra filalaovana misy sarina fo lehibe mainty. Ahitsio
Tangopetaka: ft.: Niavian'ireto: mitangopetaka, fitangopetaka. - t.i.f.: Mitangopetaka, fitangopetaka. Ahitsio
Tangorona: a.: Fivoriana betsaka manodidina tsisy filaharana na filantoana. - t.i.f.: Tangoronana, tangoronina, atangorona, voatangorona, tafatangorona / manatangorona, fanatangorona, mpanatangorona / anatangoronana, fanatangoronana / mitangorona, fitangorona, mpitangorona / itangoronana, fitangoronana / mahatangorona. Ahitsio
Tangoronana: na Tangoronina (tangorona) mt. ih. (tangorony): Hodidinin'olona betsaka: Notangoronan'ny ankizy ilay marary ka saika sempotra. Ahitsio
Tangosana: (tango) mt. ih. (tangosy): Tapahina amin'ny ta-nana na amin'ny antsy ny ravina na laingon'ny anana: Notangosan'Isambilo daholo ny anamamy tao an-tanirnboly. ? Tapahina ny tongotra sy ny elatry ny valala: Tangosy ireto valala ireto, rankizy. Ahitsio
Tangozana: a.: Tahony kely mihazona ny voankazo. Ahitsio
Tangozana: a.: Mitovy amin' ny Tangazona. Ahitsio
Tangozana: p. t. : Osa, malemilemy tsy afa-mandeha. ¶ M.h.: Mihozangozana, mitsingozangozana. Ahitsio
Tangy: a.: Vola omen'ny lehilahy ny vehivavy mba hanekeny hiray aminy. ? h, i.: Ka-rama. - t.i.f.: Tangina, atangy, voatangy 1 manangy, fanangy, mpanangy / anangiana, fanangiana / mitangy, fitangy / mpitangy / mahatangy. Ahitsio
Tanibe: a.: Tany midadasika be izay andehanana lavitra tsy hita noanoa vao ahitana ranomasina: Mtsy dimy ny tanibe: i Afrika, i Amerika, i Azia, i Eoropa ary i Oseania. Ahitsio
Tanika: a.: Fampangotrahana, fandrahoana, fampiempoana, fampandevonan-ko etona, fanenjehana sy fizohina tsy an-kijanona: Ataouy maty tanika ny laoka fa mafy. - t.i.f. : Tanehina, atanika, voatanika 1 mitanika, fitanika, mpitanika / itanehana, fitanehana / mahatanika. - F.-p.: Tanik'andro: hainandro. / Tanik'orana: andro migaingaina toa manempotra manambara orana ho avy. Ahitsio
Tanikandro: a.: Karazan'ahitra fanao fanafody tety. Ahitsio
Tanila: a.: Zavatra afaka ny ilany na lafiny iray, nakana ilany na lafiny iray. - t.i.f. : Tanilaina, atanila, voatanila / mitanila, fanatanila / anatanilana, fanatanilana / mitanila, fitanila, mpitanila / itanilana, fitanilana / m ahatanila. Ahitsio
Tanilaina: (tanila) mt. ih. (tanilao): Analana lafiny iray. Ahitsio
Tanimbary: a.: Tany anirian' ny vary rehefa avy ketsaina avy eo amin'ny taninketsa, ka eo no ahamasahany sy ijinjana azy. Ahitsio
Tanina: a.: Fametrahana eo anilan'ny afo, eo amin'ny hainandro, mba hafana. - t.i.f. : Taninina na taninana, atanina, voatanina, tafatanina / manatanina, fanatanina, mpanatanina / anataninana, fanataninana 1 mitanina, fitanina, mpitanina / ninana, fitaninana / mahatanina. Ahitsio
Tanindrana: (indrana) a.: Teny ilazana ny mponina rehetra amin'ny sisin-tany man odidina ny havoana marintampona afovoan'ny Nosy (jar. Indrana — sisiny, manolotra ny sisiny). Ahitsio
Tanindrazana: a.: Tany niavian'ireo razana ary ilevenany: Entina any an-tanindrazana ny taolambalon'ny olona maty any an-tany ha-fa. Ahitsio
Taninina: na Taninana (tanina) mt. ih. (tanino): Asian' (ny hafanan'ny afo na ny masoandro): Notaninin'ny hainandro ilay baoritra ka nivonto. Ahitsio