Aempo | : | (empo), mt. at. (aempoy): Atao miempo: Aempo amin'ny afo malefaka ny sauoka.
Ahitsio |
Aendrikendrika | : | (endrikendrika), mt, fit. (aendriker}dreho): Entina manendrikendrika, manombotomboka, milaza ho natao izay tsy natao.
Ahitsio |
Aendrinendrina | : | (endrinendrina), mt. at. (aendrinendreno): Adalaina, lalaovina.
Ahitsio |
Aera | : | a.: Karazan'entona iainan'ny zavamananaina rehetra, ka ny fivoivoizan'io entona io no mahatonga ny rivotra: Aera mahamay no fohin'ny miaina, ka indreny ny biby fiompy ualabalaka mamonjy alokaloka...(A. Raj.)
Ahitsio |
Aesotra | : | (esotra), mt. at. (aesory): Esorina.
Ahitsio |
Aetry | : | (etry), mt. at. (aetreo): Atao tonga mietry, midina ambany, miletsy: Naetrin'ny horohoron-tany ny tanna tao Ananona. 1 Aidina ambany: Izay manambony tena dia haetry, fa izay manetry tena dia hasandratra
Ahitsio |
Aetsaka | : | (etsaka), mt. at. (aetsaho): Ahotsaka, akoa: Naetsaky ny riaka ny tany teto.
Ahitsio |
Aetsaketsaka | : | (etsaketsaka), mt. fit. (aetsaketsaho): Akapoka, ampiasaina hamelezana.
Ahitsio |
Aevanevana | : | (evanevana), mt. at. (aevanevano): Atao anelanelana, alatsaka afovoany.
Ahitsio |
Aevoka | : | (evoka) mt. at. (aevohy): Atao evoka: Vomanga aeuoka it? zaza voan'ny kitrotro
Ahitsio |
Aevotra | : | (evotra) mt. at. (aevoty): Aingaina, bataina.
Ahitsio |
Aezaka | : | (ezaka), mt. at. (aezaho): Henjanina, hinjirina.
Ahitsio |
Aezanezana | : | (ezanezana), mt. at. (aezanezano): Ajoro.
Ahitsio |
Aezinezina | : | (ezinezina), mt, at. (aezinezeno): Atao sady avo no ngeza.
Ahitsio |
Afa na Afana | : | ft. niavian'ny hoe: Miafa, Miafana (jereo ireo teny ireo).
Ahitsio |
Afa-tsy | : | ppk.: Ivelan'ny, ankoatra ny:'Tonga daholo ny mpianatra rehetra afa-tsy i Jaona kely.
Ahitsio |
Afadiditra | : | (fadiditra), rat. at. (afadidiro): Atao mifadiditra, mifanolana mafy.
Ahitsio |
Afaditra | : | (faditra), mi. fit. (afadiro):Ampiasaina hatao faditra, hanalana ny ratsy ataon' ny sasany: Ahitra ihany aza taloha dia ampy nafaditra.
Ahitsio |
Afafa | : | (fafa), rat. fit. (afafao): Entina hamafana: Nahoana no iny kifafa mtsy iny no afafanao ny trano?
Ahitsio |
Afafy | : | (fafy), mt. at. (afafazo): Enti-milaza ny vos atao fafy: Vary lava no nafafiko taona its?. ~ Enti-milaza rano atsipy amin'ny tanana ka mipariaka amin'ny zavatra na olona rehetra manodidina: Ra-no no nafafin'ny dadabe taminay raha nitso-drano anay izy.
Ahitsio |