Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Abaka: (baka), mt. at, (abakao) Atao mibaka, mihataka toy ny rantsan'ny tarehintsoratra V: Abakao ity hazo ity hanaovako filesy. Ahitsio
Abalabala: (balabala), mt. fit. (abalabalao): Ampiasaina ha-tao bala. Ahitsio
Abaliaka: (baliaka), mt. at. (abaliaho): Atao mibaliaka, misokatra be, mibalela-bozona (akanjo). Ahitsio
Abanabana: (banabana), ntit, at. (abanabanao): Atao mibanabana, mivoha na misokatra tanteraka: Abanabanao ny uaravarambe sy varauarankely fa manempotra izany fofon'arina izany. Ahitsio
Abanàka: (banaka), mt. at. (abanaho): Atao mivoha tsara: Abanaho ny uauahady hidiran'ny fiara. Ahitsio
Abandrina: (bandrina), mt, fit. (abandrino): Entina mibandrina, mijery amin'ny maso tezitra toa mandrahona. Ahitsio
Abanjina: (banjina), mt, at. (aban)ino): Afantoka amin'ny: Nabanjiny ny sarin-dreniny ny masony dia natory izy. Ahitsio
Abara: (bora), mt, fit. (abarao) Ampiasaina hatao tsivalana: Nisy uatan-kazo lehibe nabarany ny uauahady. Ahitsio
Abaradaka: (baradaka), mt. at. (abaradaho): Asaina na avala hibaradaka; tapatapahina eo am-pitenenana. Ahitsio
Abaraingo: (baraingo), mt. at. (abaraingoy): Atao mibaraingo, vokoka; aolana. Ahitsio
Abarareoka: (barareoka), mt. at. (abarareohy): Avala hibarareoka, asaina mibarareoka. Ahitsio
Abarera: (barera), mt. at. (abarerao): Avala hibarera, hitaritarika; arefarefa: Mafana ny andro ka abareran'ny akoho ny elany. Ahitsio
Abaribary: (baribary), mt. at. (abaribario): Sokafana tsara. 1 Aseho miharihary tsy misy miafina: Nabaribarin'ny mpitsara ny heloka vitan-dRakoto. Ahitsio
Abata: (bata), mt. fit. (abatao): Entina mibata: Tanana roa abata io entana io fa tsy zakanao tanna anila io. Ahitsio
Abehambehana: (behambehana), mt. at. (ambehambehano): Atao mibehambehana, avelatra (tanna) na asabàka (tongotra) mba haka toerana be toa mitory fanambonimbonian-tena. Ahitsio
Abetroka: (betroka), mt. at. (abetrohy): Atao mibetroka; avontirika feno fandrahonana: Aza abetroka tahaka izao ny masonao fa mampatahotra. Ahitsio
Abiba: a.: Zavamainry fanao ody kitro, atao petakilasy ny tsirim-boany ary ny nofomboany fanao ody manirano. Ahitsio
Abidy: a.: Fitambaran'ny tarehintsoratra misy amin'ny fitenim-pirenena iray: Misy tarehintsoratra iraika amby roapolo amin'ny abidy malagasy: a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z. / Ny fotopototry ny zavatra na ny fahaizana iray, ny anton-javatra resahina na lazaina: Miteniteny momba ny baomba atomika Rangahy io, kanefa tsy mahalala ny abidin'izany akory. Ny ambaratongam-pianarana ambany indrindra ianaran'ny ankizy manambatra tarehintsoratra, manao bi-a-ba: Efa kilasy fahafiry izao ilay faralahinao? — Mbola ao amin'ny abidy ny anao. Tsy mahay abidy; tsy mahalala abidy: tsy mahay taratasy, tsy mahay bi-a-ba, tsy mahalala na inona na inona. / Abidy mifandika: zavatra mifandingana be ihany./ Abidy samy hafa: zavatra tsy mitovy velively, tsy mifandray lany tendro, samy ma-nana ny antony, sasanangy samy hafa. Ahitsio
Abilimborona: a.:Anaran-kafa ilazana ny toloho. Ahitsio
Abily: a.: Olon-dratsy, jiolahin'olona, karin'olona. t.i.f.: miabily, fiabily, mpiabily / iabiliana, fiabiliana ) habiliana. Ahitsio