Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Abirioka: (birioka), mt. at. (abiriohy): Avily any amin'ny tsy izy: Aza abirioka ny resaka, raondriana. Ahitsio
Abiririoka: (biririoka), mt. at. (abiririohy): Ampanenoina toa misioka: Nabiririokan'1-sambilo ny karavasiny ka taitra daholo ny omby. Ahitsio
Abisioka: (bisioka), mit. at. (abisiohy): Asaina mivily. Ahitsio
Abitsika: (bitsiha), mis at. (abitsiho): Lazaina malemilemy, tenenina moramora eo ampoto-tsofina: Inona no nabitsiny anao teo? Ahitsio
Abo: p• t.: Teny fahita indrindra amin'ny fitenim-paritra mitovy hevitra amin'ny hoe avo, ambony, tsy takatra: A-bo toerana loatra io boky io ka makà tohatra. Ahitsio
Aboabo: (abo) t.v.r.: Avoavo. t.i.f.: aboaboina, voaboabo ( manaboabo, fanaboabo,mpanaboabo ) anaboaboana, fanaboaboana ( miaboabo, fiaboabo, mpiaboabo ) iaboaboana, fiaboaboana. Ahitsio
Aboaboina: (aboabo), mt. ih. (aboaboy): Avoavoina, aingaingaina, ambonina.l Deraina fatratra, ankalazaina izaitsizy: Noaboaboina eran'ny tanàna ny mpandresy. 1 A-sondrotra, akarina: Mandry rano loatra io tapenaka io ka aboaboy kely. Ahitsio
Aboadaboada: (boadaboada), mt, at. (aboadaboadà): Lazaina misafotofoto. Ahitsio
Aboalina: a.: Bibikely mivelona an'andiany any anaty tany na anaty hazo izay loahany asiany zohy. Ahitsio
Abobobobo: (bobobobo), mt. at (aboboboboy): Asitrika ao anaty rano: Nabobobobony ilay alika dia maty. Ahitsio
Aboboka: (boboka), mt. fit. (abobohy): Entina hahalena, hamontosan-drano. Ahitsio
Abodika: (bodika), mt. fit. (abodeho): Enti-milaza ny zavatra ampiasaina hanasavoritahana, hanasavorovoroana. Ahitsio
Aboeriboerika: (boeriboerika), mt. at. (aboeriboereho): (Teny) atao miboeriboerika, betsaka tsisy farany, miboredldredika toy ny fitenim-bazaha: Tsy azoko ny teny naboeriboeriny teo ha lasa aho. Ahitsio
Abofaka: (bofaka), mt. at. (abofaho): Alefa, aelY (fofona, vovoka) betsaka indray mandeha, adofaka: Nabofaky ny hainandro ny fofon'ny fako ka niely eran'ny tokotany. Ahitsio
Abohitra: (bohitra), mt. at. (abohiro): Entina manabontsina. Ahitsio
Aboiboika: (boiboika), mt. at. (aboiboiho): Avoaka miboiboika, mifantsitsitra. Ahitsio
Abolasitra: (bolasitra), mt. at. (abolasiro): Avala hibolasitra, hibolisatra. Ahitsio
Abolidy: (bolidy), mt. at. (abolidio): Avala hibolidy, hihodivitra handeha na hiery. /A-vily, ahataka, ampandosirina. Ahitsio
Abolila: (bolila), mt. at. (aboli-lao): Avala na asaina mibolila, milefa miporitsaka. Ahitsio
Abolisatra: (bolisatra), mt. at. (abolisaro): Atao mibolisatra na alefa handeha amin'ny tany malama: Aza abolisatra any ny sauony, ry Koto a! Ahitsio