Litera z

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Z: a.: Tarehintsoratra faharoapolo na farany ary renisoratra fahenina ambin'ny folo amin'ny abidy malagasy; izay miova ho "j" amin'ny fanakambanan-teny: Toetra zavatra = toe-jauatra, ary toy izany koa raha mikambana amin'ny tovona man mba hanaovana matoanteny: Manzaitra = manjaitra. Ahitsio
Z'inona: (izay inona?) a.: Teny enti-maneso sy manao tsinontsinona ny sasany: Z'inona ialahy no mba manontany? / — Hauana e, Razoky, ka ualio ihany; / Biby; samy biby ka mifang!à! (Rakotovao Joh.). Ahitsio
Za-: Tovona fanaovana fototeny faharoa, izay anarana milaza olona: Zatovo (tovo), zalahy (lahy). Ahitsio
Zabý: (fr. des habits) a.: Akanion-dehilahy fentina mianjaika, izay toy ny palitao lava ary mifarana vorivory ao ivoho. Ahitsio
Zafiafy: a.: Zanaky ny zafy, zana-jafy. Ahitsio
Zafimaniry: a.: Zanapoko betsileo, monina amin'ny farftra atsinanan'Ambositra (firaisam-pokontany Antoetra sy Ambohimitombo) malaza amin'ny fahaizan'ny mponina asa sokitra hazo sy vato izay ahavitany fanaka sy sary voakaly izaitsizy. Ahitsio
Zafinadrisa: o.: Anaran-kafa iantsoana ny valala atao hoe "Tsingentana". Ahitsio
Zafindraony: a.: Karazan-javatra tompon-tany nampifangaroina tamin'ny karazana vahiny ka nahatonga karazana hafa eo anelanelany: A-koholahy zafindraony. / Hira zafindraony. ¶ M,h.: Kinto, kiry, sarY, safiotra, metisy. Ahitsio
Zafy: a.: Zanaky ny zanaka, na taranaka faharoa (ny zanaka no voalohany): Matetika no manahaka ny raibe, hono, ny zafy. ~h.i.: Taranaka: Zafin' ny mpanjaka Andrianampoinimerina izy. - F.-p,: Loa-jafY: ilazana ny olona vao nahazo ny voalohan-jafikeliny. I Zafiafy: zanaky ny zafy, na taranaka fahatelo. I Zafin-dohalika: zanaky ny zafiafy, na taranaka fahefatra. / Zafin-kitrokely: zanaky ny zafin-dohalika na taranaka fahadimy. / Zafirnpaladia: zanaky ny zafin-kitrokely na taranaka fahenina. / Zafin-doria: zanaky ny zafim-paladia na taranaka fahafito,sy ny manaraka rehe tra. / Zafy mafy na zafy tsy torana: enti-milaza ireo zafikely efa lavitra dia lavitra ka tsy mba mitomany intsony raha manche fa maty ireo kazaha na razam-beny tany aloha. / Zafy tsy havana: ny taranaka iray fiaviana nefa noho ny fahalaviran' ny fihavanana dia toa tsy hi-ta intsony ny maha-mpihavana azy. / Zafim-bary: ny taimoky ny vary avy eo amin' ny fotony izay miteraka sy masaka mialoha. / Zafim-bato: anaram-bosotra amena ny kary. / Zafin-dekà: ilazana ny dekan'olona iray, izay mba deka-na manamboninahitra ihany koa. / Zafinkevitra: hevitramadinikaavy amin'ny lohahevitra na votoatin-kevitra iray. / Zaf in-teny: ilazana ireo f1zarazarana madinika amin'ny Iohateny na kabary. * Ohab.: Ny zafy mpanahaka: enti-milaza fa matetika, araka ny fanamarihan'ny Ntaolo, dia manahaka ny raibeny ny zafy; fantatra koa fa tian'ny raibeny fatratra ny zafikeliny, ary izany no nahatonga ny zafy sasany nomena ny anarana hoe "Ratsimbazafy" (tsy mba zafy fa zanaka). Ahitsio
Zaha: a,: Fijerena zavatra: Nataony tsara zaha ny tranoko. ~ Fanaovana izay hahitana, fitadiavana. ? Fandinihana. 1 Fitsapana. i t,if.: Zahana, zahavana, voazaha, zinaha I mizaha, fizaha, mpizaha 1 izahana, fizahana / mahazaha I zahazaha. Ahitsio
Zahamborizano: a.: Karazankazo fihinam-boa (Jambosa Eugenia). Ahitsio
Zahàna: na Zahavana (zaha) mt. ih. (zahào, zahàvo): Jerena: Zahào kely izao mandondB-na izao. 1 Tsidihina, jerena toetra: Efa nozahanao ve ny fambolenareo any ambaniuohitra fa toa aisy hauandra, hono, tany tamin'ny herinandro lasa? ? Vangiana: Zahao izany rainao naratra izany. 1 Dinihina: Zahao ange ny tarehin'it? zaza its' e! ~ Tadiavina, karohina: Nozahany eran'ny lohasaha ilay ombiny very. 1 Tsapaina: Zahao izay heui-dRakoto momba on'io raharaha io. Ahitsio
Zahana: a.: Karazan-kazo tena mafy fanaovana taho na zaran-javatra (Phyllarthron Bojerianum). Ahitsio
Zahana: ft.: Tsy fikotrehana. - t.i.f.: Manjahana,manjahatra 1 ampanjahanina. Ahitsio
Zahatra: a.: Vatan-kazo na volotsangana lehibe maromaro akambana ka atao solon-dakana fitana rano: Nita tamin'ny zahatro ny mpianatra ka horakoraka moa izao! * Ohab.: Mampitaha lakana amin-jahatra: mampitovy zavatra roa tsy mitovy lanja na vidy veljvely. Ahitsio
Zahay: s.o.: Jer. Izahay. Ahitsio
Zaho: s.o.: Jer. Izaho. Ahitsio
Zaigrafy: (fr, des agrafes) a,: Vy kely (misy lahy sy vavy) mifampitsofoka, izay ampiasaina ho toy ny bokotra hitanana ny akanjo tsy hisokatra. Ahitsio
Zaingizaingy: na Jaingijaingy ft.: Fandehanana irery. 1 tif: MizaingizaingY, fizaingizaingy. Ahitsio
Zairina: (zaitra) mt. ih. (zairo): Gamba) Akambana amin' ny kofehy mba ho tonga akanjo: Nozairin'i Neny ny akanjoko. 1 Avftrana, atohy: Nozairin'i Dada ny fihauananay. Ahitsio