O | : | Tarehintsoratra fahefatra ambin'ny folo ary zanatsoratra fahefatra amin'ny abidy malagasy. Ny zanatsoratra 0 dia mety hanana tonom-peo "ao" amin'ireto toe-javatra telo ireto ka amin'ireo roa farany dia asiana satrony (ô) ny fanoratana azy: a) amin'ny teny avy amin'ny fiteny vahiny: radio, sosisy; b) amin'ny teny fitenim-paritra sasantsasany: ny vôla (tsimihety); d) amin'ilay tenim-piontanana marina "ô": Tbmpo ô! -O. s. o.: Mpisolo anarana misolo olona izay tsy inona fa fifintinan'ny ko ihany fanao tovana amin'ny teny miafara ka - tra: ny soroko, ny ton-go tro.
Ahitsio |
O | : | t.p.: Fanao eo aorian'ny anaran'olona antsoina ka italahoana, na anaran-javatra heverina ho toy ny olona ka itenenana: Tompo ô, mihanta aminao izahay!/Ry tanindrazanay malala ô.
Ahitsio |
Oa | : | t.p.: Teny enti-mamaly antso tsy dia manaja loatra: Ry Koto a! —Oa!
Ahitsio |
Oaka | : | (angl. oak) a.: Hazo vahiny lehibe izay mety hahatratra roapolo ka hatramin'ny efapolo metatra, fanaovana varavarana, fanaka, ngorodona, noho ny hamafisany; ny voany dia atao hoe voan'oaka.
Ahitsio |
Obonobona | : | a.: Fibontsinan' ny lamba rehefa entina ka tsofin'ny rivotra. - t.i.f.: Obonobonina, aobonobona, voaobonobona, tafaobonobona / manobonobona, fanobonobona, mpanobonobona ) anobonobonana, fanobonobonana / miobonobona, fiobonobona, mpiobonobona / iobonobonana, fiobonobonana ) mahaobonobona.
Ahitsio |
Obonobonina | : | (obonobona) mt. ih. (onobobdny): Bontsinina; saronana na sakobonina ao anaty lamba.
Ahitsio |
Odiambavafo | : | a.: Sakafo maivana vao maraina. ¶ M. h.: Odilolo.
Ahitsio |
Odiana | : | (ody) mt. ih. (odio): Atao ohatra ny...: Mahagaga fa odian-dRakoto tsy hita aho rehefa mifanena aminy eny an-dalana izahay.
Ahitsio |
Odiana | : | (ody) mt. ih. (odio): Asiana ody, sitranina: Efa latsa-paka ny aretina ka tsy azo odiana intsony.
Ahitsio |
Odiandro | : | a.: Kitozamaina avy amin'ny omby nangalarina izay totoina ho vovoka, dia ampifangaroina amin'ny rano mba hampandroana zaza (fomba fanao amin'ny foko sasantsasany).
Ahitsio |
Odilolo | : | a.: Sakafo maraina, odiambavafo.
Ahitsio |
Odina | : | a.: Komy, tsy fanekena ny fahefana. - t.i.f.: Aodina, voaodina, tafaodina I miodina, fiodina, mpiodina ) manodina, fano- dina, mpanodina / anodinana, fanodinana.
Ahitsio |
Odovy | : | a.: Anaran-daharan-tsikidy milaza loza na tsy fanambinana. 1 h.o.: Fahavalo.
Ahitsio |
Odray | : | t.p.: Enti-milaza figagana, fahatairana: Odra! fahalauoana re izany!
Ahitsio |
Ody | : | ft.: Tsy fampiasa mande-ha irery, fa ny hevitra mety hananany amin'ireo sampanteny dia: a) fiverenana any amin'ny tanàna na trano onenana na any amin'ny tany niaviana; — b) fisehoana ho manana toetra na ho manao asa eo imason'ny olona nefa tsy marina. - t.i.f.: Tafody I mody, fody, mpody / odiana, fodiana / mimpody I mitampody.
Ahitsio |
Ody | : | a.: Tapa-kazo na zavatra hafa, toy ny vakana, eken' ny olona sasany ho manankery hitondra soa na hisakana loza rehefa tokavina: Finoanoam-poana ny mankamasina ny ody. ? Zavatra entina manasitrana, fanafody (izay tsy inona fa "fana-fana ody" no niaviany): Ody folaka mahomby ny tsimpimpina. - t.i.f.: Odiana ) miody, mpiody I iodiana, fiodiana.
Ahitsio |
Ofaka | : | a.: Jar. Hofaka.
Ahitsio |
Ofana | : | a.: Fanamafisana metaly vao notefena, izay asoka ao anaty rano na diloilo mangatsiaka rehefa avy nodorana mivaingana. - t.i.f.: Aofana, voaofana / manofana, fanofana, mpanofana / anofanana, fanofanana / miofana, fiofana, mpiofana / iofanana, fiofanana / mahaofana.
Ahitsio |
Ofika | : | (Bts) a.: Karazan'ovy mangidy fahita any anaty ala.
Ahitsio |
Ofisialy | : | (fr. officiel) p.t.: An' ny fanjakana: Natokana ho an'ny antokon'olona offsialy ny toerana eto ka mialà teto ianao. (t Enti-milaza izay rehetra vaovao avoakan'ny fanjakana: Araka ny tarehi-marika ofisialy dia toy izao ny isan'ny "eny" sy ny "tsia" tamin'ny fitsapana hevi-bahoaka farany tao. ~ Enti-milaza zavatra neken'ny fanjakana ny fijoroany ka efa navoaka ho fantatry ny be sy ny maro: Ny teny malagasy ofisialy.
Ahitsio |