Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Bodika: ft.: Enti-milaza zavatra misavorovoro, misavoritaka. i t.i.f.: Bodehina, abodika 1 manabodika, fanabodika, mpanabodika 1 anabodehana, fanabodehana 1 mibodika, fibodika / ibodehana, fibodehana. Ahitsio
Bodioro: (fr. bout-dehors du foc) (Ski) a.: Ilay hazo mahitsy eo andohan'ny botry. Ahitsio
Bodisma: (fr bouddhisme) a.: Antokom-pivavahana naorin' i Bouddha arahin'ny mponina any Inde, Sina..., nandray betsaka tamin'ny Brahmanisma. Ahitsio
Bodisy: (t.tr.) p. t.: Ratsy. • a : Andriamanitra mpandringana. Ahitsio
Bodo: a. sy p. t.: Zaza saina sy fihevitra: Izay bodo adala iny ve hahalala hanao izany? / Zaza dobo tokoa ianao, ry Koto! izany avy ka tsy ho fantatra. * F,-p,: Bodokely: zazavavy tanora manambady lahiantitra. Ahitsio
Bodo: p, t.: Manao toe-jaza, toetr'ankizy, tsotra loatra; enti-milaza koa olona antitra miverina amin'ny fahazazana. Ahitsio
Bodo: a.: Fitanana, fitazonana zavatr'olona an-keriny ho an' ny tena. - t.i.f.: Bodoana, bodoina, voabodo, tafabodo / manabodo, fanabodo, mpanabodo 1 anabodoana, fanabodoana j mibodo, fibodo, mpibodo / ibodoana, fibodoana 1 mahabodo. * F.-p,: Manao bodo ngerona: mitana zavatr'olona ka tsy mety mamerina na inona na inona atao azy. Ahitsio
Bodoana: na Bodoina (bodo) mt. ih. (bodoY): mania na tazonina an-keriny ho an'ny tena: Bodoin'ny zanakao fotsiny ny kilalaon-janako. / Tsy valahara izany raha lehilahy: nobodoany ny vadin' olona. Ahitsio
Bodobodony: p. t.: Mpanao toetr'ankizy, be haitraitra, • Vaventiventy mahafatifaty toy ny zazakely. Ahitsio
Bodofo: na Bodofony a.: Tsimoka amin'ny bararata. Ahitsio
Bodofotsy: a.: Firakotra mate-vina vita amin'ny fahana vaventy landihazo na volonondry: Bodofotsy mainty ny an'ny miaramila. / Mitafy bodofotsy rehefa mangatsiaka ny olona eny ambanivohitra. Ahitsio
Boediboedika: a.: Jer. Boeriboerika. Ahitsio
Boenga: (Ski) a,: Anaram-biby karazan'ny vontsira. Ahitsio
Boeriboerehina: (boeriboerika) mt. ih, (boeriboereho): A-naovana boeriboerika, itenenana teny misafotofoto sy miradarada ary mikorontana; enti-milaza izay olona mahatezitra. Ahitsio
Boeriboerika: a.: Teny tsy azo, teny tsy fantatra; fiteny misafotofoto sy miradarada sady mikorontana. ? H. 1.: Fiboredehana rehefa entin-katezerana. - t.i.f.: Boeriboerehina, aboeriboerika 1 miboeriboerika, fiboeriboerika, mpiboeriboerika j iboeriboerehana, iboeriboerehana I mahaboeriboerika. Ahitsio
Bofaka: a: Fofona na vovoka maneton manempotsempotra. - t.i.f.: Abofaka I manabofaka, fanabofaka, mpanabofaka 1 anabofahana, fanabofahana 1 mibofaka, fibofaka j ibofahana, fibofahana. Ahitsio
Bofiake: (Ski) a.: Vonin'ny landihazo. Ahitsio
Bofoka: ft : Enti-milaza firakofana lamba matevina eo ampitoerana na eo am-pandriana. i ti.f.: Mibofoka, fibofoka, mpibofoka 1 ibofana, fibofohana. Ahitsio
Bofona: a.: Feo mitsefotra tsy mitefoka, hetotra. - t.i.f.: Mibofona, mibofotra. ¶ M. h.: Bofotra. Ahitsio
Bofona: p. t.: Dongadonga, botrabotra, botrefona. Ahitsio