Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Bonaka: Jar. Bonabona. Ahitsio
Bonanaka: p. t.: Sady lehibe no matavy, botrabotra sy botrefona. - t.i.f.: Mibonanaka, fibonanaka, mpibonanaka. Ahitsio
Bonara: a.: Karazan-kazo an'ala maniry indrindra any amin' ny tanin'ny Sakalava izay mampiasa ny hodiny amin' ny fanaovana tombokavatsa. Ahitsio
Bonenika: p. t.: Morabe, tsy moka mahery sady tsy rototra. - t.i.f.: Mibonenika, fibonenika, mpibonenika. Ahitsio
Bonga: a.: Sombin-tany mivaingana, dongona kely. ¶ H. i.: Tendrombohitra na havoana avo sady lehibe: Any ambadiky ny bonga roa ambin'ny foira 6 t.t.f.: Bongaina J mibongabonga. Ahitsio
Bonga: a.: Filazana, amin'ny foko sasany, ny vihina, na ireo vongana roa eo ambanin'ny filahiana, 4 Bongabe. Ahitsio
Bonga: a.: Anarana iantsoana ny sakoivy raha mbola tsy miofo ho voangory (amin'ny foko sasany). Ahitsio
Bongabe: a.: Aretina mahatonga ny bonga ho ngezabe sy makadiry. Ahitsio
Bongaina: p. t.: Mibongabonga: be bonga, ahitana sombin-tany mivaingana betsaka: Hafahafa izany aty aminareo izany fa tany bongaina, tany mibongabonga aoka izany. Ahitsio
Bongo: a: Hazo madinika akana heza fampandairana loko. Ahitsio
Bongo: a: Trano na lava-boalavo ipetrahany. Ahitsio
Bongo: p. t.: Enti-milaza ny tarehy na ny maso toa mivonto mivindimbindina: Bongo endrika izy. / Bongo maso ny zandrinao fa mahery mitomany. * Ohab.: Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny (ny sitrapony): enti-milaza nY olona voan'ny nataon'ny sitrapony ihany, nandrora mitsilany. Ahitsio
Bongo: (Ski) a: Fitsimponana ny sisa tsy voaotin'ny mpioty kabaro. Ahitsio
Bongo: a.: Sombin-tany mivaingana. Ahitsio
Bongo: a.: Anaran-kazo fakana loko mainty handokoana landy na kofehy, ary nampiasaina koa ho fanafody. Ahitsio
Bongo: a.: Anarana ilazana ireo fakofako sy zavatra malemilemy angonin'ny biby sasany mba hilafihany. ¶ H. i.: Trano tsizarizary sady iva: Trano bongo. * Ohab.: Trano bongo misy ronono ka sarotra atao maiahelo: enti-milaza fa na ny mahantra aza dia mety hanana izay mahasambatra azy. Ahitsio
Bonia: a. sady p. t.: Enti-milaza olona mahira-tsaina sy mahatsinjo lavitra ary mahavita zava-mahagaga amin'ny angano. Ahitsio
Bonia: p. t.: Enti-milaza ny maso misokatra tsara mahafinaritra, mahatehotia, baliaka. ¶ M. h.: Baholy. Ahitsio
Bonibony: a.: Aretina mamorofotra madinika mpamely ny zaza; ny bonibony dia manomboka amin'ny fanaviana maivamaivana sy aretin'andoha ary aretin-tenda kely, dia miseho amin'izay ny mamorofotra rehefa afaka indray na indroa andro; indraindray anefa, mety tsy hiseho ny bonibony, atao hoe milentika izy amin'izay, ka ratsiratsy kokoa aza izy amin'izay noho ny raha mise-ho. Ahitsio
Bonobonoka: a.; t.v.r.: Bonoka. Ahitsio